Voasambotry ny polisim-pirenena tao amin’ny fiantsonan’ny taksibrosy tao Sanfily Toliara, ny lehilahy iray mpanao trafikan-tsokatra, omaly. Nitondra gony sy sakaosy io lehilahy io. Nikasa hihazo ny renivohitra izy. Naharay loharanom-baovao anefa ny mpitandro filaminana fa entana mampiahiahy ireo nentin’io lehilahy io ireo. Niroso tamin’ny fikarohana sy ny fisavana ny entany ny polisy. Vokany, sokatra an-jatony no nafenina tao anatin’ny sakaosy sy ny gony. Ireo kazaran-tsokatra ahina ho lany tamingana avokoa ireto tratra teny aminy ireto. Nentina natao famotorana eo anivon’ny Comissariat Central ao an-toerana hatao famotorana io lehilahy io. Nogiazana ireo sokatra. Tsiahivina, vao herinandro lasa no nahasamboran’ny mpitandro filaminana olona tompon’antoka tamin’ny fanondranan-tsokatra sy gidro avy eto Madagasikara, tratra tany Thaïlande, raha toa ka mbola misy ny karohina.
Tsiferana R.