Amboaran’i Madagasikara : hifandona ny Uscafoot sy ny Inate FC

Hiditra amin’ny dingana ampahefa-dalana ny fiadiana ny amboaran’i Madagasikara “Telma coupe de Madagas­car”, taranja baolina kitra. Hotanterahina ny alahady ho avy izao, eto Antananarivo, avo­koa ireo lalao efatra. Lalao iray hisongadina ny an’ny Us­cafoot sy ny Inate FC Rouge.
Raha tsiahivina, ekipa roa tsy mbola nihaona teo amin’ny lalao ofisialy izy ireo saingy efa nidona tany amin’ny fihaonana ara-pirahalahiana. Ady sahala hatrany no nisarahan’ny roa tonta. Ity izany ny tsontsorimamba isarahana eo amin’ny roa tonta. Hilalao eo an-jaridainany eo amin’ny kianja Alarobia izy ireo. Hanantom­bo, araka izany, ny Uscafoot saingy ao amin’ny tanàna misy ny Inate FC Rouge no misy ity toerana hifanandrinana ity, ka tombony ho an-dry zalahy ny fahatongavan’ny mpanohana maro.
Hanafika ny Elgeco Plus eo an-kianjany kosa ny Ajesaia Bongolava. Fihao­nana mety hisehoan’ny tsy ampoizina satria manomboka miverina ao anatin’ny heriny ny Ajesaia. Na izany aza, raha ny fihaonana farany teo amin’izy ireo, nivoaka ho mpandresy hatrany ny tompon-jaridaina. Ity izany ny kihon-dalana eo amin’ny roa tonta.
Lalao ho toy ny famaranana koa ny an’ny Disciples FC sy ny Fosa Jr Boeny. Heverina fa hanao izay ho afany ny Fosa, satria ity sisa ny hany fifaninanana hatrehin’izy ireo. CFFA indray hifampitana amin’ny 3FB Toliara.

Tompondaka

Partager sur: