Vola malaky sy fisolokiana : tandremo ny fandraikirekena!

Mahazo vahana ny fisolokiana amin’ny merikiora sy ny fampitomboam-bola mahagaga. Mandraikiraiky amin’ny fahaiza-miresaka ny olon-dratsy. Samia mitandrina !

Mila mailo sy malina fa tsy kely lalana ny ratsy ! Mirongatra ny fisolokiana sy ny fitatipaka isan-karazany mba hahazoam-bola. Manararaotra ny fahasahirana ny olon-dratsy. Vao tamin’ny herinandro lasa no nisy mpivady, mpisoloky amin’ ny merikiora tratra. Niampy mpiray tsikombakomba telo mianadahy, ka mpimasy ny iray. Volabe efa tafakatra 400 tapitrisa Ariary no azon’izy ireo.
Vao afakomaly, voasambotry ny zandary tao Fiada­nana fokontany Ankadiefajoro, kaominina Anjeva Gara, ny mpivady hafa. Voarohirohy ho tompon’antoka tamina fisolokiana ho mahay mampitombo vola izy mivady. Maro no roboka, efa voasolokin’izy ireo. Araka ny fanazavan’ny zandary, mpisoloky efa nokarohina hatry ny ela tany Sambava izy roa. Misy mahatsikaritra tao An­kadiefajoro anefa ry zareo.

Bala rora sy ody ratsy
Voamarina ny fisian’ireo mpivady teny an-toerana izay milaza fa mahay mampitombo vola. Mody manao fampiofanana maimaimpoana ireo olona hosolokiany izy ireo. Milaza ihany koa fa afaka mampiasa vola izay te hanao. Hahazoana tombony isan-kerinandro izany. Manomboka amin’ny dimampolo isan-jato eo ho eo ny fitombony. Maro, araka izany, ireo olona resy lahatra, roboka avy hatrany. Tsy misy ny fampitomboana vola fa lasan’ny mpisoloky.
Mitontaly 15 750 000Ar ny vola voasolokin’izy mivady. Voalazan’ny zandary fa mifindrafindra toerana izy roa rehefa mahavita ny asa ratsiny. Tratra nandritra ny fisamborana azy ireo ny karapanondro roa. Anaran’izy mivady no eo, saingy sarin’olona samy hafa kosa no mipetaka amin’ny karatra. Niaiky ny heloka vitany izy ireo nandritra ny famoto­rana. Nambaran’izy mivady fa hoe eny Ambohipo no nanaovana ireo karapanondro hosoka ireo. Naiditra am-ponja vonjimaika eny Antanimora, afakomaly, ilay rangahy noho ny hosoka sy fampiasana hosoka ary ny fisolokiana. Eo ambany fanaraha-mason’ny fitsarana kosa ny vadiny.

J.C

Partager sur: