Tantara amin’ny radio: mila mitandrina ny mpanoratra

Miverina liana amin’ny tantara fihaino amin’ny radio indray ny Malagasy. Saika mandefa izany rahateo ny ankamaroan’ny radio eto an-toerana. Mahaliana, saingy, mila fitandremana fatratra ny mpanoratra sy ny mpanatontosa. Ilay vontoatin’ny tantara, mitady hivaona. Mpanoratra tsy mahafehy na tsy mahafantatra momba ny fomban-drazana, ohatra, kanefa manasongadina ao anatin’ny sanganasany fa : «ratsy ny fomban-drazana raha oharina amin’ny fombam-bahiny. Io fombam-bahiny io no tena mahomby». Mpanoratra tsy mahalala ny fifampifehezana ao anatin’ny Tafika, kanefa manoratra momba izany ao anaty tantara. Mpanoratra tsy mahafantatra akory ny fomba fiainan’ny tantsaha, kanefa, miresaka momba izany ao anatin’ny tantara soratany. Ambonin’izay, maro amin’ireo tantara fandefa amin’ny radio no ahitana fifanoherana ao anatiny. Mifanohitra, ohatra, ny vanim-potoana nisian’ilay tantara sy ny zava-nisy tamin’izany. Fahagolantany, tsy tokony hahitana fiarakodia. Dia an-tongotra sy filanjana no nampiasaina. Tsy voatsikaritry ny mpanatontosa ve sa hitan-dry zareo ihany ny tranga tahaka izany, saingy, tia mihaino tantara ny Malagasy ka aleo alefa ihany fa tsy mani­nona?

HaRy Razafindrakoto

Partager sur: