Fihaonana an-tampon’ny Cnuced : laharam-pahamehana ny fampandrosoana

Lohahevitra anisan’ny voa­resaka nandritra ny andro faharoan’ny fankalazana ny faha-60 taonan’ny rafitry ny Firenena mikambana momba ny Varotra sy ny fampandrosoana (Cnuced), oma­ly, tao amin’ny Palais des Nations ao Suisse, ny sehatry ny toekarena. Nitondrana fa­nazavana manokana ny poli­tika hampiroboroboana ny indostria ho antoky ny fifanakalozana ara-barotra mahomby. Eo ihany koa ny fomba hampivoarana ny maha olona sy izao tontolo izao, amin’ny alalan’ny teknolojia, ireo paikady hahafahana miatrika sahady ireo ambana eo amin’ny sehatry ny toekarena. Fo­toana iray hahafahan’i Mada­gasikara mitady fiaraha-miasa matanjaka hanatanterahina ireo Politika ankapoben’ny fanjakana (PGE) ny fivoriambe toy izao. Fantatra fa afaka manampy antsika amin’izany ity fivoriambe ity. Isika rahateo efa nisitraka tohana amin’ny lafiny maro tamin’ireo rantsa-mangaikan’ny Firenena mi­kambana amin’ny maha mpikambana antsika eo anivon’ny Cnuced. Araka izany, nahafahan’ny firenena malagasy nitondra ny feony sy nizarana ny politika ara-toekarena izay mifototra amin’ny fampiroboroboana ny indostria ny fihaonambe.

Fampandrosoana
Nisongadina manokana nandritra ny fivoriana, omaly, ny politika ara-toekarena apetraky ny filoham-pirenena hampandrosoana ny Nosy malagasy sy hiatrehina sahady ireo ambana misy maneran-tany. Manamafy ny toe­ran’i Madagasikara eo amin’ny sehatra iraisam-pirenena ihany koa ny fandraisana anjara amin’ny Cnuced. Ma­rihina fa sehatra avo azon’i Madagasikara hanaovana adisisika sy handresen-dahatra hanatsarana ny seha-pamokarana lavanila izao fihaonana izao.

Henintsoa Hani

Partager sur: