DAKA AN-JORONY: kitranotranon’ankizy no vitan’ny lambalamba

Taranja malaza indrindra eto amin’ity planeta tany ity ny baolina kitra. Raharaham-pirenena mihitsy izy ity ho an’ny ankamaroan’ireo fanjakana any ivelany. Porofon’izany, rehefa resy ny ekipam-pirenena, misavoritaka hatrany amin’ny governemanta rehetra. Raha mibata amboara, miditra an-tsehatra hatramin’ny filoham-pirenena. Marina ilay fitenenana hoe : «Salama ny firenena rehefa mandeha ny baolina kitra».
Goavana, araka izany, ny federasiona mitantana ity taranja mpanjakan’ny fanatanjahantena ity. Anisan’ny milina iray mampihodina tsara izany ny serasera. Manan-danja satria io no hahalalana ny zava-misy rehetra ao anatiny. Hanarenana ny mitongilana, hanitsiana ny mivilana, hanamboarana ny tsy mety. Mifanohitra amin’izany ny eto Madagasikara. Maivana ho an’ny mpitantana izany fampitam-baovao izany. Samy nahatsikaritra ny rehetra fa tsy manana toerana ao amin’ny federasiona malagasy (FMF) ny serasera. Tsy kitranotranon’ankizy io ka ho vitan’ny lambalamba. Manakatom-baravarana tanteraka ho an’ny mpampahalala vaovao. Ny tambajotra serasera no hany milaza ny zava-misy izay tsy ofisialy. Tsy kitranotranon’ankizy io ka vitan’ny lambalamba.
Mampalahelo fa lasa miaina amin’ny honohono sisa ny mpiondana baolina kitra. Tsy azo lavina fa anjaran’ny mpanao gazety ny mikaro-baovao saingy mifampiankina amin’ny zavatra avoakan’ny federasiona izany, fa tsy azo foromporonina. Tsy kitranotranon’ankizy io ka ho vitan’ny lambalamba. Mikendry ny handeha lavitra ny federasiona nefa ny serasera aza tsy voafehiny dia toy ny tefy angadin’Imahaka, sady tsy nandalo fofotra no tsy nandalo afo, vao atsatoka dia tapaka. Aza hitako, aza mahita ahy.

Tompondaka

Partager sur: