Sombim-baovao

Notanterahina nanomboka ny zoma alina teo ny fiadiana ny ho tompondakan’i Eoropa, taranja baolina kitra, « Euro 2024 ». Tsara fanombohana i Allemagne, mpampiantrano, nandresy an’i Ecosse, 5 no ho 1 izy ireo. Anio kosa no hiakatra kianja i France, hihaona amin’i Autriche.
Lavon’i Johnny Gauvin, renioney mpikatroka muay-thaï, tamin’ny KO, teo amin’ny fidirana fahefatra i Fazaraly na Superbad Boy, Malagasy nakmuay, ny zoma alina teo, teny Mahamasina, nandritra ny fifaninanana “Trophée du Choc”. Araka izany, lasan’i Johnny Gauvin ny fehikibo “Inter-continental” AFSO Pro.
Notontosaina, omaly, ny lanonam-panokafana ny fiadiana ny ho tompondakan’i Madagasikara, taranja Handball, taom-pilalaovana 2023. Tsara marihina fa hisolo tena an’i Madagasikara mandritra ny CCOI, izay hatao eto Antananarivo, ny volana jolay ho avy izao izay tompondaka amin’ity “Mada 2023” ity.

Partager sur: