« Telma Coupe 2024 »: fantatra avokoa ireo tafita amin’ny manasa-dalana

Nifarana omaly, teny amin’ny kianja Elgeco Plus By-pass, ny ampahefa-dalan’ny fiadiana ny amboaran’i Madagasikara. Hiady ny tapakilan’ny famaranana ny Elgeco Plus sy ny Inate Fc Rouge ary ny Disciples sy ny CFFA.

Tafita any amin’ny dingan’ny manasa-dalana fiadiana ny amboaran’i Mada­gasikara, «Telma Coupe 2024»,  ta­ranja baolina kitra, ny ekipan’ny Elgeco Plus Ana­lamanga, omaly, teny By-pass. Lavon’izy ireo tamin’ny isa 2 no ho 0, ny Ajesaia Bongolava, teo amin’ny lalao ampahefa-dalana. Ankoatra ny Elgeco Plus, ny Inate FC Rouge Vaki­nankaratra sy ny CFFA An­doharanofotsy ary ny Disciples FC Vakinankaratra no manao ny dingana manaraka.
Ny ekipan’ny Inate FC Rouge no hifanandrina amin-dry Jean Yves sy Zolah, mpilalao Elgeco raha toa ka ny CFFA hihaona amin’ny Disci­ples FC.
Klioba efatra, efa nifankazatra tao amin’ny Kaonferansa Atsimon’ny fifaninanam-pirenena «Cocacola Pureplay Football League» ireto tafita ireto.
Nisaraka ady sahala 0 no ho 0 ny fifanandrinan’ny Inate FC Rouge sy ny Elgeco, ny volana febroary lasa teo. Mbola manala vela amin’ny CFFA ny Disciples FC, lavon’ny mpilalaon’ Andoharanofotsy tamin’ny isa 1 no ho 0, izy ireo nandritra ny andro fahefatrin’ny “PFL 2024”. Tsiahivina fa izay mahazo ny amboara amin’ity, hanao ny “Super Coupe” amin’ny Elgeco Plus, tompon’ny amboara 2023, ka izay mivoaka mpandresy amin’izany no solontenan’i Madagasikara, hifanintsana amin’ny Kaonfederasiona afrikanina CCaf. Raha mbola azon’ny Elgeco ny amboara amin’ity, tsy misy ny “Super Coupe.”

Fitia Randria

Famintinana ny lalao omaly
Nifandanja tanteraka ny fifanandrinan’ny Elgeco Plus sy ny Ajesaia. Ry zareo mpampiatrano no hita fa nanatombo tamin’ny fitazomam-baolina saingy nifandimbiasana ny fanafihana ho an’ny andaniny sy ankilany. Ady sahala tsy misy nitoko, 0 no ho 0, nentin’ny roa tonta niala sasatra. Nisy tandrevaka kely ny vodilaharan’ny solontenan’i Bongolava ka nahatafiditra baolina i Feno, lohalaharan’ny Elgeco Plus, ny minitra faha-56. Nampian’i Zolah, hirakiraka mpanafika Elgeco izany, roa minitra tsy hiravan’ny lalao (88 min).

Partager sur: