JCBA-Game Day: hanomanana ny fifaninanam-pirenena 2024

Hotanterahina ny 22 hatramin’ny 25 jona izao, ny fifaninanana “Game Day”, taranja basikety, karakarain’ny klioban’ny JCBA.

Toy ny isan-taona, miezaka mandray anjara amin’ny fifaninanam-pirenena, amin’ny sokajy rehetra ny klioban’ny JCBA, taranja basikety. Miezaka ihany koa ity klioba ity ny hitady vokatra tsara hatrany sy hampitombo ny lentan’ny mpilalao ao aminy. Ho fiomanana amin’ireo fifaninanana rehetra ho avy, mikarakara hetsika ity klioba ity. Hetsika mitondra ny anarana “Game Day”, izay hatao ny 22 hatramin’ny 25 jona ho avy izao, etsy amin’ny Centre Oriental international, Ankazomanga. Fifaninanana basikety 3×3 amin’ny sokajy rehetra, manomboka amin’ny U12 hatramin’ny Vétéran no hitranga mandritra io 4 andro io. Ny 22 hatramin’ny 24 jona no hanaovana ny fifanintsanana ary ny 25 jona kosa no hanaovana ny famaranana. Tsy misy ny vidim-pidirana amin’ireo lalao rehetra ireo, fa hisy kosa ny fitadiavam-bola hataon’ny klioba ao an-toerana. Ankoatra ny fifaninanana, hisy koa ny hetsika hafa ka anisan’ny goavana amin’izany, ny fampisehoana lehibe hiarahana amin’ny mpanakanto Sanih, ny 25 jona hariva, manomboka amin’ny 6 ora, ka 5000 Ariary ny vidim-pidirana. Nohamafisin’ny filohan’ny JCBA, Rasamoelison Rivo­hery, fa tena misy fiantraikany amin’ny lalao izay atao ny fiomanana toy izao, izany indrindra no antony nikarakarana izao lalao izao. Etsy ankilany, hoy hatrany izy, betsaka ny fandaniana mila atao rehefa hiatrika fifaninam-pirenena ka ny hanamaivanana izany no tanjona. Nampahafantatra ity hetsika “Game Day” ity, teny amin’ny Centre Oriental international Ankazomanga, ny faran’ny herinandro teo, ny klioban’ny JCBA.

Mi.Raz

Partager sur: