Notanterahina tany Antsirabe, ny sabotsy 15 sy ny alahady 16 jona lasa teo, ny dingana fahatelo amin’ny fiadiana ny ho tompondakan’i Madagasikara amin’ny Slalom. Fifaninanana, nokarakarain’ny Auto sport 110. Nandrombaka ny fandresena i Olivier, mpanamory avy amin’ny klioba ASACM, nitondra ny fiara Citroën C2. 2 mn 08, 51s ny fe-potoana tsara vitany. Vitany tao anatin’ny 2 mn 12, 29 s ny dingana voalohany raha 2 mn 12, 89 s ny faharoa ary 2 mn 08, 51 s ny fahatelo. Mbola izy ihany koa ny voalohany teo amin’ny kilasy M10.
Faharoa nanaraka azy i Juan, avy amin’ny FMMSAM, nitaingina ny fiara Clio. 2 mn 9, 68 s ny fe-potoanany. Tsiahivina fa lasany ny dingana faharoa, izay vitany tao anatin’ny 2 mn 11, 78 s. Nitana ny laharana fahatelo, i Frederic avy amin’ny ASACM, niaraka tamin’ny Citroën C2. Tsy nandray ny fiaingana izy teo amin’ireo dingana faharoa sy fahatelo. 2 mn 21, 28 s kosa ny nahavitany ny dingana voalohany. Dingana manaraka, ny Slalom karakarain’ny klioba TAC’S, hatao ny 27 sy ny 28 jolay ho avy izao.
Tompondaka