Tsy misy ahina ny toe-pahasalaman’i Mbappé, kapitenin’ ny ekipam-pirenena frantsay, taorian’ny fahavoazana nahazo ny orony, ny alatsinainy lasa teo. Raha tsiahivina, voadona ny tenany nandritra ny fihaonany tamin’i Autriche, teo amin’ny andro voalohany hiadiana ny ho tompondakan’i Eoropa, taranja baolina kitra, «Euro 2024», atao any Allemagne. Nivoaka ho mpandresy tamin’ny isa tokana, 1 no ho 0 ny Les Bleus, tamin’io. Taorian’ny fizahana nataon’ny mpitsabo, tsy atahorana ny toe-batany ary tsy misy fandidiana atao. Efa namonjy ny toerana misy ny ekipam-pirenena frantsay ny tenany omaly. Na izany aza, hitondra saron-tava ny lehilahy ho fiarovana ny vatan’orony. Tsy mbola voafaritra kosa ny faharetan’ny fitsaboana azy sy ny hitondrany izany “masque” izany. Ny fihaonana amin’i Pays-Bas, hatao ny zoma ho avy izao, ny lalao manaraka ho an’i Frantsa.
Mandra-piandry izany, hitohy anio, ny fifanintsanana ka lalao telo no voalahatra amin’izany. Hiditra an-tsehatra hanao ny andro faharoa indray ny vondrona “A” ka hikatroka i Allemagne sy i Hongrie. Fihaonan’ny samy mpandresy tamin’ ny andro voalohany ireo ka naman’ny efa tafita izay tafavoaka eto. Adin’ny samy resy kosa ny an’i Ecosse sy i Suisse. Ny vondrona “B”, hifanandrinan’i Croatie sy i Albanie.
Tompondaka