Hotanterahina ny volana jolay ho avy izao, any Fianarantsoa sy Ambatolampy, ny fanadinana hiakarana am-baratonga kukkiwon (1ère dan- 4ème dan). Raha ny fanazavana voaray teo anivon’ny Federasiona malagasin’ny taekwondo (FMTKD), omaly, hatao ny 12- 14 jolay ny any Fianarantsoa ary ny 27-28 jolay ny any Ambatolampy. Aorian’ireo faritra roa ireo, hisy ihany koa ny an’ny faritr’i Toamasina, izay hanomboka ny 28 hatramin’ny 30 aogositra ho avy io. Hatao ny 13-15 oktobra kosa ny any Mahajanga.
Ankoatra izay, nilaza ny loharanom-baovao iray teo anivon’ny FMTKD fa hivaly amin’ny herinandro ho avy io ny valim-panadinanana ho an’ireo mpiadina eto Antananarivo, raha tsy misy ny fiovana. Tsiahivina fa miisa 33 mianadahy izy ireo no mpikatroka tonga niadina teny an-toerana. Tsara mari-hina fa ny tale teknika nasionaly (DTN) ny Federasiona malagasin’ny taekwondo (FMTKD), Fanome-zantsoa Dimbiheriniaina Pharlin, (3ème dan kukkiwon sady 4ème dan federaly) sy ny talen’ ny fampiofanana eo anivon’ny FMTKD, Ramanantsoa Narinja, (3ème dan kukkiwon sady 4 ème dan federaly) ary Master Lee Jeong Moo, 7ème Dan kukkiwon, no mpanadina amin’ity hetsika ity.
Fitia Randria