Hitohy ny alahady ho avy izao, eny Andohatapenaka ny fiadiana ny ho tompondakan’i Madagasikara, taranja Rugby, sokajy vehivavy. Araka ny vaovao navoakan’ny Malagasy Rugby, misy lalao roa handeha eny an-toerana. Anisan’izany ny fifanandrinan’ny FTM Manjakaray sy ny FTFA Antohomadinika.
Notanterahina, omaly, ny andro fahatelon’ny fiadiana ny ho tompondakan’i Madagasikara, N1A basikety, faritra afovoany, izay atao any Antsirabe. Nampiseho ny heriny ny MB2ALL Analamanga, vehivavy. Nomontsanin’izy ireo tamin’ny isa mavesatra 95 no ho 33 ny Serasera Vakina.
Naneho ny heriny nandritra ny dingana faharoan’ny fifaninanana “Petanque Tour de Mada”, ny 15-16 jona lasa teo, tany Ambatomirahavavy, ny ekipam-pirenena malagasy hanao “Masters”. Lavon’izy ireo teo amin’ny famaranana, isa 13 no ho 4, ny ekipan’ ny Abmi. Hatao any Morondava ny dingana fahatelo.
Hotontosaina any Ilakaka, ny alahady ho avy izao, ny fiadiana ny ho tompondakan’i Madagasikara, taranja Motocross, “Grand prix d’Ilakaka”. Amin’io fotoana io no hifanandrina indray ry Mathias Plantive sy Claudio Tida. Izy mirahalahy ireto dia tsara toerana
amin’ity fifaninanana ity.