Ravan’ny mpitandro filaminana ny fikasan-dratsin’ny mpaka an-keriny. Zaza varira iray avotra tao Vangaindrano, afakomaly. Olona roa voasambotra.
Avotry ny mpitandro filaminana teny am-pelatanan’ireo olon-dratsy ny zazalahy iray vao 7 taona, tao amin’ny kaominina Anilobe, distrikan’i Vaingaindrano, ny talata 18 jona teo. Nalain’ny dahalo an-keriny teo anatrehan’ny fianakaviany io zaza varira io tamin’ny 13 jona lasa teo. Nanao ny fomba rehetra hanatrarana ireo olon-dratsy ny mpitandro filaminana tao an-toerana. Namolavola paikady, niantso ireo mpaka an-keriny fa hividy io zaza varira io ny polisy nanao fanamiana sivily. Nanome ny toerana sy ny fotoana hanaovana ny takalo, araka izany, ireo dahalo. Niandry kendritohina ny mpitandro filaminana. Tsy afa-nandositra intsony, araka izany, ireo nikasa hahazo volabe tamin’ny fangalana an-keriny io zaza io.
Vehivavy ny iray
Noraisim-potsiny tao amin’ ny trano fonenany ny vehivavy iray sakaizan’ny iray tamin’ ireo naka an-keriny ilay zaza varira nokarohin’ny mpitandro filaminana. Niara-namolavola ny paikady rehetra tamin’ny fihazonana sy ny fanakalozana io zaza varira io ity vehivavy ity sy ilay lehilahy saron’ny polisy. Nosamborina, nentina natao famotorana izy roa ireo. Karohina kosa ny namany hafa. Tsiahivina, niverina indray, araka izany, ireo mpangalatra zaza varira rehefa tsy naharenesana tranga mifandraika amin’izany tao anatin’ ny volana vitsy. Marihina, nirongatra ny fangalarana azy ireo tao amin’ny faritra Atsimo-Andrefana tamin’ny taon-dasa.
Tsiferana R.