TSELATRA

Maty voatifitry ny polisy ny jiolahy iray raha toa ka azo sambo-belona ny namany roa lahy nandritra ny fifanenjehana tao Mahajanga, afakomaly. Mpanendaka sady mpively « bois-rond » ireo mpandalo eny amin’ny Bord ireo olon-dratsy ireo. Nanao vela-pandrika ny mpitandro filaminana ka rava ny fikasan’ireo jiolahy.

Novakin’ireo mpandroba ny fitaratry ny fiara. Ordinatera iray niampy taratasy fiantsoana hiatrehana ny fanadinana bakalorea no very tao Ankatso, omaly. Nozeran’ireo tsy mataho-tody vatobe ny fitaratra ka nanamora ny nangalany ireo entana tao anatiny.

Lehilahy nampiasa vola sandoka nosamborin’ny zandary tao Ambohimangakely, ny 17 jona teo. Tetezin’io mpisandoka io ny mpivarotra ka mody hanesorany 2 000 Ar ny vola 20 000 Ar sandoka. Nifamaly tamin’ny mpivarotra izy ka nifanehatra tampoka tamin’ny zandary .

Telo mianaka anatin’ny fianakaviana iray voasambotry ny zandary avy ao amin’ny Borigady Am­bohimanambola, tao Antsirabe, rehefa nanamboatra basy tsy ara-dalàna, ny 14 jona teo. Amidin’izy ireo amin’ny dahalo ireo fitaovam-piadiana. Nahatrarana basy vita tanana, poleta sy bala isan-karazana tao amin’izy ireo.

Partager sur: