Rallye – «Mada 2023»: hozaraina anio ny amboara

Hotanterahina, anio, etsy amin’ny Le Pavé Antaninarenina ny fizarana loka ho an’ireo mpandresy nandritra ny fiadiana ny ho tompondakan’i Madagasikara, taranja Rallye, ho an’ny taom-pilalaovana 2023. Tompon’ny anaram-boninahitra i Mathieu, mpanamorin’ny klioba Asacm. Andry Tahina, ny teo amin’ny mpanamory mpanampy. Rasoamaromaka Faniry, avy amin’ny TMF ny voalohany teo amin’ny kilasy N4. Mbola izy ihany koa no nahazo teo amin’ny sokajy tanora.
Lai Kam Jansen, avy amin’ny klioba SRK ny tompondaka teo amin’ny SSV sy ny teo amin’ny SSV4. Teo amin’ny Run, lasan’i Boarilaza Herizo, avy amin’ny Tasamm ny amboara. Mbola lasany ihany koa ny teo amin’ny Pro Run. Tompondaka teo amin’ny kilasy Run 4, i Stephanie Simon.
Voalohany teo amin’ny sokajy zandriny, i Bauman Nathan. Teo amin’ny sokajy Rookie, i Manuella Liantsoa ary ny sokajy vehivavy, lasan’i Stephanie Simon.
Tsiahivina fa hitohy amin’ny “Rallye Asacm” hatao ny 13 sy 14 jolay ho avy izao, ny fifaninanam-pirenena ho an’ny taona 2024.

Tompondaka

Partager sur: