Notanterahina tetsy amin’ny Villa Berlin Ambatoroka, ny faran’ny herinandro teo, ny “Salon d’orientation professionnelle pour les germanophones”. Hetsika nokarakarain’ny Cercle Germano-Malagasy (CGM). Tanjona ny hanampiana sy hanomezana torohevitra ireo ankizy sy tanora malagasy maniry hiasa sy hanohy fianarana any Allemagne. Mahakasika ny dingana rehetra atao amin’ny fianarana ny fiteny allemand sy ny tsara ho fantatra raha maniry ny hiasa any amin’io firenena io no nivoitra nandritra izany. Betsaka ny ankizy malagasy mirona sy tia mianatra ny fiteny Allemand eto Madagasikara. Anisan’ny ivontoerana mampianatra azy ireo ny etsy amin’ny CGM Analakely. 2 200 isan-taona ireo ankizy sy tanora lasa miasa any amin’io firenena io. 50 % amin’izy ireo no lasa Aupair, ny ankamaroan’izy ireo dia ankizivavy, raha ny antontanisa navoakan’ny ambasadin’i Allemagne. Anisan’ny fepetra takina amin’ireo ankizy ny fahafehezana ity fiteny vahiny ity, ka manome mari-pahaizana ny ivontoerana. Karazana asa be mpanao sy azon’ny Malagasy atao any an-toerana ny hotellerie, plomberie, menuiserie…
Mino