Tenisy- Davis Cup: nandresy an’i Libye, laharana voalohany i Madagasikara

Niampy indray ny fandresena ho an’ny ekipam-pirenana malagasy, taorian’ny andro faharoa. Resin’i Madagasikara 3 no ho 0 i Lybie, tamin’ny fifaninanana «Davis Cup » taranja tenisy, sokajy lehilahy, ho an’ny vondrona faha-5, atao atsy Botswana.

Mitana ny laharana voalohany ao amin’ny vondrona C i Mada­gasikara taorian’ny andro faha­roan’ny fifaninanana «Da­vis Cup» atao any Gaborone Botswana, aty amin’ny faritr’i Afrika, sokajy “V”. Faharoa kosa i Botswana, mpampiatrano, izay nahazo fandresena roa nisesy ihany koa. Fa­hatelo, i Lesotho, ary farany i Libya. Marihina fa izay voalohany isam-bondrona ihany no miatrika ny dingana manaraka “Playoff”.
Hatreto, tsara ny vokatra ho an’ny Akomba de Mada­gascar. Lavon’ny Malagasy, tamin’ny isa 3 no ho 0, i Lybie nandritra ny andro faharoa. Fihaonana natao tao amin’ny kianja National Tennis Center, ao Gaborone Botswana.
Raha hiverenana ny lalao notontosaina omaly, resin-dRakotondrasoa Valentin, tamin’ny seta 2 no ho 0 (6/1 ; 6/0), i Mohamed Lamami, teo amin’ny lalaon’olon-tokana voalohany. Tsy nahaovoka mihitsy i Lamami tamin’ity fifanandrinan’izy mirahalahy ity, satria lalao iray ihany no mba azony teo amin’ny seta voalohany ary tsy nisy mihitsy ny faharoa.
Nandritra ny lalaon’olon-tokana faharoa, nomontsanin-dRakotondramanga Antso, seta 2 no ho 0 (6/1, 6/1), i Mohammed Alriqeeq.
Teo amin’ny fihaonan’olon-droa, lavon-dry Rahari­vony Nicolas sy Andrianaly Dylan, seta 2 no ho 0 (6/2, 7/5), ry Mohammed Alriqeeq sy Mohamed Eljamal. Tsara marihina fa ity no fandresena faharoa azon’i Madagasikara tamin’ity “Davis Cup” ity. Tsiahivina fa resin’ny Akom­ba, 3 no ho 0, i Lesotho, afakomaly, nandritra ny andro voalohany. Ny ekipan’ny mpampiantrano no hihaona amin’ny ekipa nasionaly malagasy anio.

Fitia Randria

Partager sur: