Kitra – D2 Nasionaly : tanjon’ny AS St Anne ny hiakatra PFL

Hanainga anio, hihazo an’i Vohémar, ny tompondakan’ny ligin’Analamanga 2024, AS St Anne. Hiatrika ny dingana voalohan’ny fifaninanana diviziona faharoa nasionaly, “World Cola Ligue des Champions” izy ireo, ny 28 jolay hatramin’ny 6 aogositra ho avy izao. Manana tanjona goavana ity klioba ity, ary fanamby apetrak’izy ireo ny hiakatra amin’ny fifaninanam-pirenena “Pureplay Football League (PFL)”.
Araka ny vaovao nampitain’ny tomponandraikitra teo anivon’ity klioba ity, omaly, efa nanao lalao ara-pirahalahiana maro izy ireo. Anisan’izany ny fihaonana tamin’ny klioba iray tany Ambositra sy ny CFFA Andoharanofotsy.
Tsiahivina fa tamin’ny taon-dasa, efa nandray anjara ta­min’ny D2 Nasionaly, ny AS St Anne. Nihintsana teo amin’ny dingana faharoan’ny fifanintsanana izy ireo tamin’izany. Ny ekipan’ny Espoir United avy atsy Betsiboka no hihaona amin’ ity solontenan’Analamanga ity voalohany, any Vohemar.

Nosoloin’ny Zoya FC ny Fosa Junior
Tsy anisan’ireo ekipa hifanintsana amin’ity fifaninanana “World Cola ligue des Champions” ity, ny Fosa Junior academy Boeny. Antony, tsy afaka hiakatra PFL mihitsy izy ireo satria efa manana solontena iray mifanintsana ao amin’io fifaninanam-pirenena io ity klioba avy atsy Boeny ity. Araka izany, ny ekipan’ny Zoya FC no hisolo tena ny ligin’i Boeny, amin’ity D2 nasionaly ity.

Fitia Randria

Partager sur: