Manan-karena amin’ny harena voajanahary i Madagasikara. Anisan’izany ireo karazam-bato samihafa mivoaka sy hita eto an-toerana. Mahaliana ny vahiny izy ireny noho izy miavaka sy tsy fahita firy any amin’ny firenena hafa.
Ahitana karazam-bato maro ny faritra rehetra manerana ny Nosy fa samihafa avokoa ny anarany sy ny endriny. Misy anefa toerana tsy ahitana karazam-bato afa-tsy iray fotsiny. Anisan’ny harena an-kibon’ny tanin’ny Malagasy avokoa izy ireny, fa maro ny mponina no tsy mahafantatra izany. Tsy mahaliana ny ankamaroan’ny Malagasy izany noho ny tsy fahampian’ny fahalalana. Amin’ny ankapobeny, ny vahiny avy any ivelany foana no tena liana sy manjifa ary mividy izany amin’ny vidiny lafo.
Mandray ny vokatra vato avy eto Madagasikara ny firenena maro maneran-tany. Anisan’izany, ny firenena eoropeanina, sinoa, afrikanina… “Liana amin’ny resaka harena an-kibon’ny tany eto an-toerana avokoa ny vahiny rehetra”, hoy Rafera Hortense Irène, mpanodina vato eto Antananarivo. Atao haingon-trano sy haingom-batana, na firavaka, fanorana, ary atao fanomezana ny vato efa voakirakira, amin’ny ankapobeny. Ho an’ny vahiny, maro amin’
izy ireo ny mino sy matoky fa mitondra zava-tsoa sy vintana tsara amin’ny fiainan’ny olombelona ny fitondrana sy fametahana azy ireny amin’ny tena sy ao anivon’ny tokantrano. Antony iray tena mahasarika azy ireo hanjifa ny vato eto an-toerana izany. Eo ihany koa ny tsy fananana azy io sy ny mampiavaka ireo vato avy eto Madagasikara. Ankoatra izay, misy ny vato manasitrana ny aretina any amin’ny olona, manala ny vintana ratsy, mitondra vintana tsara… Na dia izany aza, efa misy ihany ireo Malagasy manao sy mitondra izany eny amin’ny vatana. “Araka ny finoana ihany no mampanan-danja ny vato iray anaovana sy entina eny amin’ny vatana”, hoy Rafera Hortense Irene, mpanodina vato.
Ahitana vato ny faritra rehetra
Raha ho an’ny eto amin’ny Nosintsika manokana, toerana tena ahitana ny vato antsoina hoe labradorite sy ny apatite ny any amin’ny faritra atsimon’ny Nosy. Ahitana ny vato antsoina hoe quartz rose sy cristale kosa ny any amin’ny faritra Atsinanana. Karazam-bato antsoina hoe “Mœllon” ny eto Antananarivo.
Maro ny Malagasy miasa sy misehatra amin’ny fitrandrahana sy fikirakirana vato eto amin’ny Nosy, anisan’izany Rafera Hortense Irène, mipetraka eto Antananarivo. Miasa sy misehatra amin’ny fikirakirana ny harena an-kibon’ny tany amin’ny alalan’ny fitrandrahana sy fanodinana vato (lapidaire) izy sy ny fianakaviany. Asa nolovainy tamin’ny fianakaviana tany aloha satria efa nanao izany avokoa ny dadabeny, ny ray aman-dreniny… Ankehitriny mbola manohy izany izy sy ny ankohonany. Amidy eto an-toerana avokoa ny vato trandrahina sy ahodin’izy ireo, araka ny kaomandy ataon’ny mpividy, raha ny fanazavana voaray. Ireo mpanjifa eto an-toerana kosa no mandefa ny entana any ivelan’i Madagasikara. Mitrandraka vato indostrialy amin’ny endriny sy karazany maro any amin’ny kariera izy ireo. Faritra tena hitrandrahan’izy ireo ny any Soanala, Betroka, Bekily ary ny faritra Anosy.
Malaza sy be mpitady ny vato miendrika “champignon”
Amin’ny ankapobeny, mpanatanteraka ny zavatra tiana sy ampanaovin’ny mpanjifa izy ireo. Miovaova arakaraka ny kaomandin’ny mpanjifa ny endriky ny vato ataony. Maro mpisafidy ny vokatra amin’ny endriny “boule”, “champignon”, “galet”, fo, izay hatao firavaka sy haingon’ny peratra na “collier”. Tena malaza amin’izao fotoana izao ny endriky ny vato antsoina hoe “champignon”, raha ny fanazavana nataony. “Misy fotoana malaza be ny endrika vato iray amin’ny fotoanany fa mihodinkodina eo avokoa ireo rehetra ireo”, hoy Rafera Hortense Irène, mpanodina vato. Vato tena trandrahin’izy ireo amin’izany ny labradorite, ny quartz rose ary ny Cristal. Karazam-bato tena be mpitady amin’izao fotoana izao ny labradorite, opale, quartz rose, apatite, cristal, Améthyste…
Fady kisoa ny kariera
Samy manana ny fombany sy ny fadiny avokoa ny toerana sy ny faritra rehetra eto Madagasikara, indrindra amin’ny fitrandrahana vato. Ho azy ireo manokana sy any amin’ny faritra Atsimo, fady ny mitondra kisoa any amin’ny kariera. Tsy dia mitrandraka vato firy ihany koa izy ireo rehefa fotoana fahavaratra be, mba hiarovana ny tena amin’ny loza mety hiseho, toy ny fihotsahan’ny tany… Tsy mitrandraka vato ny olona manao izany asa izany rehefa andro alahady. Natokana ho fotoana hakana aina sy hialana sasatra kosa izany ho azy ireo. Fotoana tena tsara hanatanterahana ny asa ny maintany. Ankoatra ny asa fitrandrahana vato eny anivon’ny kariera, mamboly sy miompy ihany koa izy ireo. Mba hahahafana mivelona tsara araka ny tokony ho izy.
Nanatontosa : Mino
Sary : Fanou