Tsipy kanetibe – «Mondial 2024»: ekipam-pirenena no mandeha fa tsy klioba tompondaka

Miova manomboka izao ny fiatrehana ny fiadiana ny ho tompondaka maneran-tany amin’ny taranja tsipy kanetibe. Tsy izay klioba mahazo ny fifaninanam-pirenena fa hanaovana fifantenana ny miatrika izany.

Nambaran’Andrianirina Adrien Julio Edouard, fi­lo­han’ny federation sport boules malagasy (FSBM), ny sabotsy lasa teo, teny Tan­jom­ba­to, fa nankatoavin’ireo filohana ligim-paritra 100%, ny tetikasa hanaovana fifantenana ny ekipa hiatrika ny fiadiana ny ho tompondaka maneran-tany, ma­nomboka izao. Nandritra ny fivoriambe tsy ara-potoana notanterahin’ny federasiona tetsy amin’ny ANS Ampefiloha, ny alakamisy 1 aogositra lasa teo, no nandanian’ireo ligim-paritra miisa 7, izany. Ny sokajy Sénior, lehilahy, aloha ny hany voakasik’izany.
Tsy ny ekipa voahosotra ho tompondaka intsony izany no misolontena ny Malagasy fa misy ny fifantenana hatao ka izay mpilalao tena mendrika no mandrafitra ny ekipam-pirenena miatrika izany. Mihatra ho an’ny firenena rehetra izany, manomboka amin’ny «Mondial 2024», hatao any Dijon, ny volana desambra izao.
Nomarihiny fa fangata­han’ny Federasiona iraisam-pirenena io, ary ny rafitra iraisam-pirenena mihitsy no efa miova. Porofon’izany ny tsy fifaninanana hiadian-toerana hiatrehina ny «Mondial» intsony ny fiadiana ny ho tompondakan’i Afrika fa fifaninanana hakana isa fotsiny. Ny filaharana iraisam-pirenena manomboka izao no ho fandehanana any amin’ny fiadiana ny ho tompondaka maneran-tany.
Tsiahivina fa roa taona izay i Madagasikara no tsy nanao «Mondial», tamin’ny tsipy kanetibe noho ny sazy azon’ny Ma­la­gasy, Federasiona teo aloha. Manoloana ity fiovana eo amin’ ny sehatra iraisam-pirenena ity, niangavy ireo filohan’ny ligim-paritra rehetra ny mpitantana ny FSBM hiditra ao anaty rafitra mpanara-maso, hitovy amin’ny komity mpitantana, mba hisian’ ny fangaraharana amin’ny fifantenana sy ny fitantanana.

Tompondaka

Partager sur: