Voahosotra ho tompondakan’i Madagasikara, taranja basikety, sokajy U14 lehilahy, ny klioban’ny BCEst (Basket Ball club espoir sportif de Tuléar). Fifaninanana natao tany Mahajanga, ny herinandro lasa teo. Nambaran’ny filohan’ny klioba, i Vital Serge, fa efa nampoizina iny fandresena iny ary tsy nahagaga. Efa ela niomanana ny ekipa ary tena nampitolagaga ireo mpanazatra maro ny fahaizan’ny mpilalaon’ny BCEst, tamin’ity fifaninanana ity. “Niaritra ary nahay niaraka ny mpilalao, izany no nahazoana ny fandresena”, hoy ny nambaran’i Vital Serge, taorian’ny lalao famaranana natrehin’ny BCEst nanoloana ny Mb2All ka nahazoany ny fandresena, 62 no ho 35. Manaporofo fa manana teknika ambony ny mpilalaon’ny BCEst. Ny isa nanomboka tamin’ny lalao ampahefa-dalana izay nanantombo betsaka tamin’ny mpifanandrina, raha ny fanazavana. “Hoavin’ny basikety malagasy sy ny ekipam-pirenena, ny mpilalaon’ny BCEst”, hoy hatrany ity filohan’ny klioba ity. Tanjona ny hitazomana ny anaram-boninahitra ary hahazo fandresena hatrany amin’ny sokajy rehetra sy amin’ny taranja hilalaovan’ny “Espoir sportif de Tuléar”. Tsiahivina fa ankoatra ny maha tompondaka azy, anisan’ny voafantina ao anatin’ireo mpilalao mendrika ihany koa ny mpilalaon’ny BCEst, Rakotondrazafy Hany Randja.
Mi.Raz