QMM: hatokana ho an’ny sosialy ny 4 tapitrisa dolara isan-taona

Natao omaly, teto Antananarivo, ny fivoriana iombonana tanaty efitrano sy nampitain-davitra teo amin’ny QMM sy ny sehatra voakasika. Nodinihina ny Drafitrasa sosialy (RSE) ataon’ny orinasa.

Tanjona ny hanangonana ny soso-kevitra rehetra avy any amin’ny sehatra maro, eken’ny rehetra. Haroso hankatoavina any amin’ny filankevitry ny minisitra avy eo ny votoatiny.
Vita sonia ny 22 aogositra 2023 ny fifanarahana vaovao eo amin’ny orinasa renin’ny QMM, ny Rio Tinto, sy ny go­vernemanta malagasy. Ani­san’ny voarakitra ao ny hampitomboin’ny QMM ho 4 tapitrisa dolara isan-taona ny tetibola hatokana ho an’ny RSE. Tanjona ny hanatsarana ny fari-piainan’ny mponina any ifotony.
Niarahana namolavola tamin’ny faritra Anosy ny drafitrasa ho tanterahin’ny QMM. Anisan’ny voafaritra ao ny fambolen-kazo, ny famatsiana rano fisotro, ny asa tagnamaro, ny fanohanana ny mponina eny ifotony amin’ny fanaraha-maso, ny jono, ny fandraharahana, ny fambolena, ny fiarovana ara-tsakafo ary ny fanohizana ny efa natao tany aloha.
Nanazava ny governoran’ny faritra Anosy, Rakoto­velomanantsoa Voahary, fa mifanaraka amin’ny Politika ankapoben’ny fanjakana (PGE) ny fanatanterahana ny RSE. Manan-danja ny fisian’ny fahatoniana ara-tsosialy ka izay no ilana ny fiaraha-mientana iombonana.

Andraikitra tsy maintsy atao ny RSE
Nambaran’ny minisitry ny Harena an-kibon’ny tany, Rakotomalala Herindrainy Olivier, fa ilaina vahana ny di­sadisa sosialy nisy hatramin’
izay. Arahina antsakany sy andavany ny fifanarahana vao nohavaozina eo amin’ny orinasa QMM sy ny fanjakana malagasy. Dingana efa voafaritry ny lalàna vaovao mifehy ny harena an-kibon’ny tany, ny taona 2023 rahateo, ny tsy maintsy hanaovana ny RSE ankatoavin’ny governemanta malagasy, raha toa ka tsy no­terena ny tany aloha.

Njaka Andriantefiarinesy

Partager sur: