Vokatra tsara no azon-dRandafiarison Rosina, nandritra ny lalao Olympika natrehiny ny alarobia alina lasa teo. Na dia tsy niakatra « podium » aza, nampihaiky ny vokatra azony satria laharana faha-10 no nisy azy ary nahavita nanamontsana ny zava-bitany tsara indrindra izy. Teo amin’ny « arraché », nahavita nibata 80 kg, raha toa ka 77kg no vitany farany. Teo amin’ny « épaulé jeté », nahavita nibata 100 kg, tamin’ny andrana fahatelo. Tsiahivina fa 95 kg no voabatany tamin’ny fiadiana ny tompondakan’i Afrika ny volana febroary lasa teo, tany Egypte. 180kg, araka izany, ny « total olympique » ho azy, izay nanantombo 10 kg be izao, tamin’ny zava-bitany farany.
Tsara ny manamarika fa nifaninana teo amin’ny sokajy latsaky ny 49 kg i Rosina, raha toa ka latsaky ny 45 kg foana no nisy azy teo aloha, noho ny tsy fisian’ny -45 kg tamin’ity JO 2024 ity. Na izany, reharehan’ny Malagasy ary nampisongadina an’i Afrika ihany koa ny ny zava-bitany.
Mi.Raz