Tsy nahazaka adim-piainana: renim-pianakaviana maty nananton-tena teo ambony hazo

Mafy ny fiainana! Hita faty nihantona tamin’ny tady, nikirozaroza teo ambony hazo ny renim-pianakaviana iray. Ankoatra ny fikorotanan-tsaina, misy ny mamono tena.

Hatairana ny an’ny mponina manodidina tao amin’ny fokontany Am­bo­himitsinjo,  kaominina Bevo­notra, distrikan’i Sam­bava, omaly tamin’ny 7 ora maraina. Ramatoa iray, 50 taona, monina ao anatin’ny tanànan’i Bevoay no hita faty. Nifatotra tady niloko manga teo amin’ny tendany, nihantona tamin’ny hazo izy. Araka ny fahitan’ireo nanatri-maso, tombanan’izy ireo ho namono tena izy. Tsy nahitana ratra ny faritry ny vatany. Hazom-boasary ma­nana haavo 3 metatra eo ho eo io nihantonany io. Voa­marin’ny mpitsabo nanao fitiliana fa namono tena izy.

Adim-piainana

Araka ny valim-panadihadiana nataon’ny zandarimaria miasa ao an-toerana, tsy fahazakana adim-piainana no nitarika ilay renim-pianakaviana hanao izao famonoan-tena izao. «Ankoatra ny fahasahiranany amin’ny fiainana andavanandro, tsy mifankahazo loatra amin’ny havany izy. Tsy fahazakana ny hamafin’ny fiainana mihitsy no nitarika azy hamono tena», hoy ny fanamafisan’ny lehiben’ny Tobim-paritra ao Amboangibe. Natolotra ny fianakaviany, taorian’ny fitilian’ny tomponandraikitra, ny vatana manga­tsiakan’io ramatoa io.

Tsiferana R.

Partager sur: