Filohan’ny Caf teo aloha: nodimandry Issa Hayatou

Misaona ny tontolon’ny baolina kitra aty amin’ny kaontinanta afrikanina. Nodi­ma­ndry teo amin’ny faha-77 taonany, tany Paris, ny alakamisy lasa teo, ilay Kameroney filohan’ny kaonfederasiona afrikanin’ny baolina kitra (Caf) teo aloha, Issa Hayatou. Nitan­tana ny Caf nandritra ny taona 1988-2017 izy, ary efa voatendry ho filoha vonjimaikan’ ny Fifa ny taona 2015-2016. Maro ny zava-bitany teto Afrika raha ny baolina kitra no resahina. Anisan’izany ny fampivoarana ny baolina kitra vehivavy sy ny torapasika “beach soccer” ary ny ao anaty efitrano “futsal”. Izy no nandresy lahatra ny Fifa mba hahazoan’ny firenena afrikanina toerana dimy amin’ny fiadiana ny ho tompondaka ma­neran-tany “Mondial” raha toa ka 2 izany teo aloha. Tsiahivina fa nifanintsana tamin’i Ahmad Ahmad, filohan’ny Caf teo aloha, ihany koa izy, nandritra ny fifidianana izay hitarika ny Caf, ny taona 2017. Tsy lany moa ny tenany tamin’izany fotoana izany. Manoloana ity fahoriana ity, naneho ny fiaraha-miory amin’ ny fianakavian’i Issa Hayatou, ny eo anivon’ny Federasiona malagasin’ny baolina kitra (Fmf), tao anaty tambajotran-tserasera.

F.R

Partager sur: