Hitohy etsy amin’ny Kianja Malacam Antanimena, rahampitso, ny andro fahadimy amin’ny fiadiana ny ho tompondakan’i Madagasikara “Federal 2”, taranja rugby. Anisan’ny fihaonana goavana ny fifandonan’ny Rosa Club de l’Imerina sy ny 3F5 Amboditsiry. Fileovana samy manana ny fahaiza-manaony ny roa tonta. Havanana amin’ny tolotolotra haingam-pandeha ry zareo Rosa. Mafy ao anaty “paquet d’avant” kosa ry zareo Amboditsiry. Hiendrika famaranana kely, araka izany, ity fihaonan’ny roa tonta ity.
Mbola lalao hisongadina koa ny an’ny JSTA Ambondrona sy ny FTA Andavamamba. Lalaon’ny samy kartie. Sarotra ny hahalala izay ho mpandresy amin’ity. Heverina ho fihaonan’ny mpanazatra ny azy ireo. Hikatsaka ny fandresena efa azony ny JSTA, amin’ity. Hanokatra ny fihaonana ny fifanandrinan’ny XV FA Ampasika sy ny XV Avenir Andohatapenaka. Hiavaka koa ny lalaon’ny Stade olympique de l’Emyrne sy ny Afa Ankazomanga. Hanarina ny fahavoazany ny roa tonta, taorian’ny faharesen’izy ireo tamin’ny lalao nataony teo aloha.
Tompondaka