Famonoana karana mpandraharaha: Karohina ireo jiolahy roa tsy nisaron-tava

Nandrasan’ny jiolahy kendry tohina, namoy ny aina vokatry ny tifitra ny teratany karana iray mpandraharaha tao Mahajanga, ny faran’ny herinandro teo. Ifampitadiavana ireo nahavanon-doza.

Voan’ny bala nifanandrify ny ilan’ny kibony havanana, maty tsy tra-drano ny teratany karana iray 57 taona tao Mahajanga Re­nivohitra, ny harivan’ny zoma teo, tamin’ny 6 ora sy sasany. Nihaodihaody teny amin’ny manodidina ireo olon-dratsy ora vitsy talohan’ny tranga saingy tsy nanampo na inona na inona ny manodidina. Niandry fatratra ilay karana handalo anefa ireo jiolahy ireo. Nitondra moto, samy tsy nisaron-tava izy roa lahy. Tapaka rahateo ny herinaratra tamin’ny fotoana nisehoan’ny famonoana ka nanao mora ny nandosiran’ireo tsy valahara.

Tsy nisaron-tava
Eo am-panangonana ny loharanom-baovao rehetra momba an’ireo nahavanon-doza ny mpitandro filaminana, amin’izao fotoana. Araka ny fitantaran’ireo nanatri-maso, tsy nisy nisaron-tava ireo roa lahy nitam-piadiana namono io mpandraharaha io. Nikasa hiditra ny faritry ny trano fonenany ilay karana no nirefotra tampoka ny basy. Voan’ny balan’ireo olon-dratsy izy. Nentina novonjena teny amin’ny hopitaly ny lasibatra saingy tsy avotra intsony. Niaraka nivoaka taminy tao anatin’ny fiara ny sakaizany saingy tsy voan’ny tifitra nataon’ireo jiolahy. Nitsoaka nitondra ny moto ireo nahavanon-doza. Karo­hina ny tompon’antoka.

Tsiferana R.

Partager sur: