Lalao Olympika : nanjakan’i Chine sy i Etazonia ny medaly volamena

Nikatona tamin’ny fomba ofisialy, tao Paris renivohitr’i France, ny andiany faha-33 amin’ny lalao Olympika. Nanjakan’i Chine sy ry zareo Bekintana ny fandrombahana medaly volamena.

Nifarana omaly, tao Paris France, ny lalao Olym­pika. 12 andro no niainan’izao tontolo izao ny fifaninanana tamin’ny taranja ara-panatanjahantena miisa 47. Niady izay ho lohany tamin’izany ireo atleta nahatratra 10 500 ka 5 250 lehilahy ary 5 250 vehivavy avy amin’ny firenena 206 maneran-tany.
Nanjakan’i Chine sy i Eta­zonia ny fandrombahana me­daly volamena tamin’ity. Mita­rika ry zareo sinoa, nahatratra 40, ary eo amin’ny laharana faharoa ny Bekintana, nahazo 38. Fahatelo i Japon, manana volamena 19 raha 18 ny an’i Australie. Any amin’ny fahadimy ny frantsay mpampiantrano, nahazo 16.
Atleta nandrombaka medaly volamena maro tamin’ity ilay frantsay mpilomano, i Léon Marchand, nahazo volamena 4 sy alimo 1. Samy nahazo 3 daholo kosa ilay amerikanina, i Torri Huske sy ilay aostralianina, i Callaghan ary ilay kanadianina, i McIntosh, izay samy teo amin’ny lomano avokoa. Toy izany koa i Biles, teratany amerikanina teo amin’ny gymnastique artistique.
Nampiavaka ity andiany faha-33 ity ny fisian’ireo atleta avy amin’ny firenena madinika nahatohitra ireo efa kalaza. Ani­san’izany ny nahazoan’ilay afrikanina tatsimo, i Tatjana Smith, ny volamena teo amin’ny 100 m brasse, taranja lomano. Anisan’ny nisongadina indrindra ny 100 m taranja atletisme, sokajy vehi­vavy, izay lasan’i Julien Alfred, avy any Ste Luce sy ny 200 m, lehilahy, azon’ilay Botswanais, i Letsile Tebogo. Afaka efa-taona ny lalao manaraka izay hatao any Etazonia.
Mandra-piandry izany, hatao ao France ihany ny lalao Olym­pika ho an’ireo atleta manana fahasembanana ara-batana, ny 28 aogositra – 8 septambra ho avy izao.

Tompondaka

Partager sur: