Sombim-baovao

Hiato kely indray ny fifaninanana “XXL Top 20”, federaly II, ao amin’ny kianja Malacam Antanimena. Araka ny vaovao voaray, handeha ao an-toerana ny famaranan’ny seksiona Vakiniadiana. Hiverina ny 25 aogositra ho avy izao ny fifanintsanana eny an-toerana. Marihina fa hiverina amin’ny 2 septambra ho avy io koa ny “Top 12”.
Notontosaina afakomaly, teny amin’ny Kianja Ankoay Ankorondrano, ny lalao famaranan’ny fia­diana ny ho tompondakan’i Madagasikara, taranja hand­ball, sokajy zandriny lahy sy vavy. Somary nisy indray ny olana teo amin’ny Federasiona sy ny mpitsara ka nihemotra ny oran’ny famaranana roa ambiny.
Hofantatra anio ny mahakasika an’i El Hadari, Malagasy lohalaharana, amin’ny taranja baolina kitra. Raha ny vaovao voaray, nandritra ny herinandro lasa teo, fantatra fa tsy mbola nahazo taratasy avy amin’ny St Michel United izy. Tsiahivina fa miankina amin’io taratasy io no hahafahany manatevina ny Disciples FC, amin’ ny LDC Caf na tsia.

Partager sur: