Handball – sokajy zandriny : nanao pao-droa ny HCEST

Tontosa ny sabotsy lasa teo, teny amin’ny Kianja mitafon’Ankorondrano, ny fiadiana ny tompondakan’i Madagasikara, taranja handball, sokajy Minimes sy Cadets ary Juniors. Nanao pao-droa ny ekipan’ny HCEST (Handball club espoir sportif de Tuléar). Samy norombahiny avokoa ny teo amin’ny sokajy roa, Minimes sy Cadets. Nandresy ny ekipan’ny Solidaire Boeny ny HCEST Atsimo Andrefana, tamin’ ny isa 23 no ho 20, teo amin’ny Minimes. Isa 29 no ho 24 kosa no nandavoan’izy ireo ny Ascaf Analamanga, sokajy Cadet. “Afapo tamin’ny vokatra. Efa herintaona no nanomanan’ny HCEST ka tonga amin’ny tanjona dia ny fandresena izany”, hoy ny nambaran’ny filohan’ny HCEST, i Vital Serge, taorian’ ny lalao famaranana.

Nambarany fa tena tsara ny vokatra ho an’ny EST, tao anatin’ny herinandro lasa teo, satria fandresena 3, iray teo amin’ny basikety ary roa teo amin’ny handball no azon’izy ireo. Mbola hitohy any Toliara amin’ny fifaninanam-pirenena, taranja basikety, sokajy U18 ny lalan’ny EST.

Fitia Randria

Partager sur: