Mozika klasika: voasokajy ho zavakanton’ny olona manan-katao

Niainga tamin’ny zavaboahary, toy ny feon’ny rivotra, feon’ny ranomasina, feon’ny hazo, feon’ny vy ny mo­zika. Nanita-tsaina ny olombelona ary nandalina izany mba hihatsara sy hanome feo tsaratsara kokoa. Ani­san’ny azo tamin’ny fandinihana la­lina natao ny fa­moronana ny mo­zika klasika.

«Mozika lehibe no­ha­lalinina sy voasoratra ary manaraka ny zava-misy sy ny tantaram-piainan’ny zanak’olombelona ny atao hoe mozika klasika ». Io ny famaritana nomen’ny filoha mpitarika ny antoko mpihira Chœur Miangaly, Rakotoarimino Antsanirina, raha nanaovana fanadihadiana. Nambarany fa manaraka ny voasoratra ny fomba filalaovana azy eny an-tsehatra. Ankoatra izay, manana harena betsaka sy loko be dia be, arakaraka ny vanim-potoana sy ny zava-misy iaianan’ny zanak’olombelona, ny mozika klasika. Miova manaraka izany ny loko sy ny fomba fanoratry ny mpanoratra. «Azo atao mozika klasika avokoa ny hira rehetra satria azo soratana daholo ny mozika », hoy hatrany izy. Raha ho an’ny antoko mpihira tantaniny, nanoratra sy namadika ireo hira malagasy tsy nisy nanoratra naoty izy ireo. «Natokana ho an’ny rehetra ny mozika klasika, aty aoriana, lasa voasokajy ho zavakanto ho an’ny manan-katao, fa saingy manaraka ny tantaram-piainan’ny zanak’olombelona sy ny fiarahamonina », hoy hatrany izy. Mbola vitsy ny mpankafy ny mozika klasika eto Madagasikara, raha ny zava-misy amin’izao fotoana izao no jerena. Tao anatin’ny dimy taona farany, efa lasa miha tanora ny mpankafy ny mozika klasika eto Mada­gasikara, raha oharina amin’ny any ivelany. Ho an’ny eto an-toerana manokana, tanora avokoa ny ankamaroan’ny mpijery ny konseritra mahakasika ny mozika klasika ary misy adolatsento mihitsy aza izany. Mieritreritra foana ny olona fa hira efa tranainy be sy efa an’olona antitra foana ny mozika klasika ka antony iray tsy mahasarika ny olona mijery sy manaraka izany, raha ny fanadihadiana natao. Mihevitra ny ankamaroan’ny Malagasy fa natao sy natokana ho an’ny olona manan-karena ny mozika klasika. Izy ireny ihany no mijery sy mihaino ireny gadon-kira ireny, hoy ny fihevitry ny olona sasany sy ny zava-misy.

Antoka ahatakarana feo avo
Etsy ankilany, any am-piangonana foana no tena hahafantaran’ny vahoaka malagasy ny fisian’ny mozika klasika. Somary manakatra feo ambony sy feo avo ary mifanenjikenjika foana izany amin’ny ankapobeny. Arakaraka ny famerimberenana hira ihany no antoka iray ahatakarana feo avo sy fananana feo mifandraika amin’ny zavatra tadiavina, raha ny fanazavana voaray hatrany. Raha ho an’ny mpikambana ao anivon’ny Choeur Miangaly, manana famerenana intelo isan-kerinandro ny mpikambana tsirairay avy. “Ahazoana vokatra tsara ny fisian’ny famerenana betsaka eo amin’ny fahazarana mihira sy ny traikefa eo am-pihirana”, hoy hatrany izy nanamafy.

Nanomboka teo amin’ ny taonjato faha-18

Mitanisa ny mozika rehetra noforonina taorian’ny fiafaran’ny vanim-potoana Baroque sy talohan’ny vanim-potoana Romantika ny mozika klasika, raha ara-tantara. Nanomboka teo anelanelan’ny taonjato faha-18 hatramin’ny taona 1820 izany. Nahitana fifanakalozan-kevitra sy resaka tamin’ny endrika mozika ataon’ny mpilalao roa na telo ny mozika klasika. Miavaka amin’ny fampiasana zavamaneno Piano sy Violoncelle izany, eo amin’ny famoronana sy ny fihirana azy an-tsehatra. Miseho amin’ny endrika maro ny mozika klasika, miova araka ny vanim-potoana. Toy ny Opéra, ny Symphonie, ny Quatuor à cordes, ny Trio avec piano, ny endrika Galant ou Rococo, ny Sturm and drang…
Manana vina ho lasa matihanina eo amin’ny sehatry ny mozika amin’ny maha antoko mpihira azy izy ireo. Tsy miankina amin’ny fiangonana sy antokom-pinoana fa mahaleo tena. Niaina tao anatin’ny taom-pihirana nanomboka ny oktobra 2023 ary nifarana tamin’ny volana jona 2024 lasa teo izy ireo. Nanatanteraka kaonseritra efa ampolony mahery izy ireo tao anatin’izay. Anisan’ny nampiavaka ny seho nataon’izy ireo ny fihirana ny hira malagasy fahenon’ny olona ho lasa endrika klasika.

Nanatontosa : Mino

Partager sur: