SOMBIM-BAOVAO

Norombahin’ny ekipa malagasy, nahitana an’i Hery Morondava, Sedrick ary i Donald indray ny Supra National Top 1 000, Le Puy en Velay, taranja tsipy kanetibe. Fihaonana, natao tany France, afakomaly. Tsiahivina fa tafiditra ao anatin’ny «Tournée Estivale 2024» izao lalao izao.

Resin’ny Rosa Club de l’Imerina, tamin’ny isa 18 no ho 14, ny 3F5 Amboditsiry, nandritra ny andro fahefatra amin’ny fiadiana ny ho tompondaka “Federa l2”, taranja rugby. Fihaonana, natao tetsy Malacam, ny alahady lasa teo. Ankoatra izay, lavon’ny Stade Olympique de l’Emyrne, 16 no ho 5, ny Afa Ankazomanga. JSTA nanilika ny FTA, 32 no ho 30, ary XV Avenir nampiondrika ny XV FA, 29 no ho 24.

Hatao any amin’ny Kianja Ambatondrazaka
sy Ambositra ny dingana faharoa amin’ny fiadiana ny ho tompondakan’i Madagasikara, “D2 National”, na ny World Cola Ligue des Champions, taranja baolina kitra. Hotontosaina ny 23 aogositra – 1 septambra izany ka ekipa 12 no hiady ho lohany amin’izany.

18 ireo mpanamory handray anjara amin’ny 1st Mobil Rally of Boeny, taranja familiana fiarakodia. Dingana fahatelo amin’ny fiadiana ny ho tompondakan’i Madagasikara karakarain’ny klioba Gojanga. Hampiantrano izany ny faritra Boeny. Anisan’ireo hifaninana i Mathieu sy i A.T, mitarika eo amin’ity fifaninanam-pirenena ity.

Partager sur: