Tsipy kanetibe: lasan’i Lesakely ny amboara

Norombahin-dRatsimbazafy Hajatiana (Lesakely) ny am­boara tamin’ny fifaninanana ho an’olon-tokana, taranja tsipy kanetibe, natao tany Romans-sur-Isère, ny alatsinainy lasa teo. Fihaonana nahavory mpandray anjara miisa 300 mahery, manerana an’i Frantsa. Resin’i Lesakely teo amin’ny famaranana, tamin’ny isa 13 no ho 8, i Marzouk. Teo amin’ny “mène”, roa voalohany ihany no nitarika tamin’ny isa ity mpifanandrina tamin’i Lesakely ity. Tsy nahatohitra ny tifitra nataon’ity Mala­gasy mpilalao ity i Marzouk, ka izay no naharesy azy.
Tsiahivina fa lavon’i Lesakely teo amin’ny manasa-dalana, i Bencheikh. 13 no ho 5 no nisarahan’ny roa tonta.
Anisan’ny mandravarava mihitsy, any France, ireo Mala­gasy izay miatrika ny “Tournée Estivale 2024”. Misy ekipa 4 amin’ny olon-telo miaraka ny miatrika izany any an-toerana. Saika lasan-dry zalahy avokoa ny fifaninanana amin’izany. Marihina fa tafiditra ao anatin’ny fanomanantenan’i Madaga­sikara amin’ny “Masters 2024” izany.

Tompondaka

Partager sur: