Fifaninanana eo anivon’ny Caf: mpilalao miisa 28 nentin’ ny Disciples FC

Lasa any Maurice, omaly, ny ekipan’ny Disciples FC Vakinankaratra, izay solontenan’i Madagasikara amin’ny “Ligue des champions Caf”. Handray ny Orlande Pirates, Afrika Atsimo izy ireo, mandritra ity lalao mandroso ity.

Afaka roa andro, hanomboka ny fiadiana ny ho tompondakan’i Afrika, “Ligue des champions (LDC) Caf”, taranja baolina kitra. Ho an’ny Disciples FC, tompondakan’i Madagasikara, mpilalao 28 isa no nentin’izy ireo hifanandrina amin’ ny ekipan’ny Orlando Pirates avy atsy Afrika Atsimo, any Maurice, ny 18 aogositra ho avy izao. Tsara marihina fa any amin’ity Nosy rahavavy ity ny Disciples FC no hampiantrano ny lalao mandroso, noho ny tsy fisian’ny kianja ankatoavin’ny Caf eto Madagasikara.

Ny 23 aogositra ho avy izao kosa ity klioba malagasy ity no hanafika any Afrika Atsimo. Nanainga omaly tamin’ny 2 maraina, teto an-tanindrazana, ny Disciples FC Madagasikara.

Tsara marihina fa raha tafavoaka amin’ity ny Dis­ciples, izay mandresy amin’ny African Stars Namibie sy ny Jwaneng Galaxy Botswana no hihaona amin’izy ireo, eo amin’­ny dingana manaraka. Ankoatra izay, tsara ny mampahafantatra fa efa niatrika lalao ara-pirahalahiana tamin’ireo klioba mifanintsana amin’ny “Pureplay Football Lea­gue (PFL)”, teny amin’ny kianja Pedro ny Disciples, ny faran’­ny herinandro lasa teo. Nomontsanin’izy ireo 5 no ho 0 ny Ajesaia ary resin-dry Ten­dry, lohalaharan’ny Dis­cip­les FC, 3 no ho 2, ny Inate FC Rouge.
Mpilalao fanampiny

Naka an’i Fabrice, mpilalaon’ny Fosa Juniors teo aloha, ho mpiandry haratony ny Disciples FC. Tsara marihina fa nindrana an’i Donga sy i Nicolas, avy ao amin’ny Fosa Juniors ihany koa izy ireo. Izy telo mirahalahy ireo, izay nilaza fa vonona tanteraka hitondra avo ity ekipa ity, mba ho reharehan’i Madagasikara.

Fitia Randria

Partager sur: