Fiofanana Kyorougui: hitiliana izay ho ekipam-pirenena

Notontosaina tetsy amin’ny foibe CFamma Nanisana, ny zoma lasa teo, ny fiofanana kyorougui, izay nokarakarain’ny Federasiona malagasin’ny taranja Taekwondo (FMTKD). Tanjona amin’ity hetsika izay tarihan-dRakotomanana Franck Tiana, filohan’ny FMTKD, sy i Pharlin Dimbiheriniaina, tale teknika nasionalin’ny FMTKD, ity ny hitiliana ireo Malagasy atleta, izay handrafitra ny ekipam-pirenena malagasy.
Raha tsiahivina, hiatrika ny fiadiana ny amboara maneran-tany, sokajy zandriny, any Korea ny Malagasy, manomboka ny 1 hatramin’ny 6 septambra ho avy io. Araka ny fanazavana voaray, ny talata 13 aogositra no hanaovana ny fampivondronana voalohany ho an’ireo izay voafantina. Hiatrika fitsapana kosa izy ireo ny 24 aogositra ho avy izao.
Ankoatra izay, miisa efatra ireo ligy nahatonga solontena tamin’ity fizarana traikefa ity. Anisan’izany ny ligin’Anala­manga, Atsinanana, Matsiatra Ambony ary Vakinankaratra.
Tsara marihina fa nataon’ny Federasiona ho fanamafisana ny haavo teknikan’ny mpikatroka ihany koa ity fiofanana Kyorougui ity.

F.R

Partager sur: