SOMBIM-BAOVAO

Hiditra amin’ny dingana farany, manomboka anio, ny fifaninanana Asief, ho an’ny taranja iraisana, tanterahina any Antsirabe. Efa vita kosa ny taranja manokana, toy ny karaté, ady totohondry, lomano.

Tanterahina any Diego, nanomboka omaly 15 hatramin’ny 18 aogositra izao, ny fifanintsanana Fiba Africa-Zone 7, taranja basikety. Fifanintsanana hahazoana ny tapakilan’ny Afrobasket, sokajy latsaky ny 16 taona. Efa fantatra ireo mpilalao ho an’ny ekipam-pirenena malagasy.

Miditra amin’ny ampahefa-dalana, anio, ny fiadiana ny tompondakan’i Madagasikara, taranja basikety, latsaky ny 18 taona. Fifaninanana tanterahina any Toliara. Mitarika ao amin’ny vondrona misy azy ny BCEST Atsimo Andrefana, sokajy lehilahy.

Tontosa ny 10 hatramin’ny 14 aogositra lasa teo, tany Moramanga, ny fiadiana ny tompondakan’i Madagasikara, sokajy Seniors, taranja Echecs. Tompondaka teo amin’ny N1, Razanadrakotoarisoa Toavina (CGM). Andrianomenjanahary Sedranirina (CEJCA) kosa ny tompondaka teo amin’ny N2.

Partager sur: