Asief-Lomano : laharana voalohany ny MFA

Hikatona tanteraka rahampitso, ny fifaninanana nasionaly, ho an’ny mpiasam-panjakana (Asief). Hotanterahina anio, kosa ny famaranana amin’ireo taranja iraisana. Ho an’ny taranja lomano, vita ny alakamisy teo ny fifaninanana ka nahazo ny laharana voalohany ny MFA, nahazo medaly volamena 24, volafotsy 9 ary alimo 10, izay mitotaly 43 medaly. Laharana faharoa ny Men, nahazo medaly volamena 18, volafotsy 10 ary alimo 8. Nahazo ny laharana fahatelo kosa ny MJS, nahazo medaly volamena 7, volafotsy 17 ary alimo 6. Nahitana andrimpanjakana sy minisitera 10 nandray anjara tamin’ity fifaninanana nasionaly ity. Ny indro kely sy nampitaraina ny mpandray anjara kosa nefa dia ny lafiny fanomanana sy ny fikarakarana, izay tena tsy araka ny tokony ho izy. Saika nahitana fitarainana avokoa ny taranja rehetra, indrindra teo aminy lafiny fitsarana. Lesoka ihany koa ny lafiny fotodrafitrasa. Ho an’ny taranja volley-ball, hiatrika ny lalao famaranana izy ireo ho amin’ ny anio, ny MDG sy ny Mef. Raha hiverenana ny voka-dalao, nandresy ny MFA ta­min’ny seta 3 no ho 2 ny MDG, rehefa niditra tamin’ny tie break ny lalaon’ny roa tonta. Tetsy ankilany, nandavo ny Prima tamin’ny seta 3 no ho 0, kosa ny Mef.

Mi.Raz

Partager sur: