Fomba malagasy: izay vao tena lehilahy ny zaza rehefa vita didimpoitra

Fomban-drazana nentin’ny mpanjaka Andriamanelo teto Madagasikara ny famorana. Ani­san’ ny mampiseho fa tena lehilahy sy ny maha izy azy ny zazalahy kely ny fanaovana azy io. Tanterahana re­­hefa vanim-po­toana ririnina ny didimpoitra eto Ma­dagasikara. Mba tsy hampanano sarotra ny fa­na­sitranana ny fery.

Efa hamarana ny vaninandro ririnina ny eto Madagasikara, amin’izao fotoana izao. Anisan’ny fotoana mahabetsaka ny fa­naovana didimpoitra ny volana mey hatramin’ny volana aogositra tahaka izao. Misy ireo mbola manaraka ny fomba amam-panao malagasy fa misy kosa ireo efa manaraka ny fivoaran’ny siansa sy ny teknolojia.
Fanesorana ny lohatsitsy na ilay hoditra manafono ny lohan’ny fitaovam-pananahan’ny lehilahy ny atao hoe famorana. Fomba ara-pivavahana efa be mpanao tamin’ny andron’i Abrahama izany, araka ny tantara. Nitarika io fomba iray io teto amin’ny Nosy ny mpanjaka Andria­ma­nelo. Nosokajiana ho hasoavana lehibe indrindra teo amin’ny lehilahy izy io, teo amin’ny Ntaolo malagasy. Norai­sina ho fahaterahana vaovao ho an’ny zazalahy kely ny fahavitana izany. “Azo lazaina fa tena lehilahy sy tafiditra ho anisan’ny fianakaviana ny zazalahy kely rehefa vita io hasoavana io ka antony tena hanaovana izany”, hoy i Dada Zama, raim-pianakaviana iray monina any Ankaratra, raha nanontaniana. Nambarany fa natao hampijoroana sy hananan’ny zazalahy kely ny maha izy azy io fomba io. Tanjona ny hampahery sy hampatanjaka azy. Amin’ny ankapobeny, atao izany ny zazalahy kely manodidina ny faharoa taonany. Misy ireo manao izany na dia efa feno taona aza, raha toa ka tsy vita tamin’ny nahazaza azy izany, raha ny zava-misy hita eny amin’ny fiarahamonina.
Mandalo dingana maro ny fanaovana azy
Ho an’ny eto amin’ny farita Analamanga manokana, ma­natanteraka ny hasoavan-jaza amin’ny fomba gasy ny rainjaza. Mila manatona mpanandro ny fianakaviana ahafantarana ny andro hanatanterahina izany. Kendrena tsara mba ho andro tsy manonto vintana ilay zaza ny fanantanterahana azy. Atao alohan’ny fiposahan’ny masoandro ny didimpoitra. Mandalo dingana maro ny fanatanterahana ny famorana eo amin’ny fomba malagasy. Efa nalaina ny voatavo arivolahy, vatan’akondro, fary maromaro tsy miala lohany, volontara… Apetraka eo amin’ny zoro firariazana ireo rehetra ireo ary iandraketan’ny olona mbola velon-dray aman-dreny. Miara-mikorana ny mpianakavy sy ny mpanotrona mba tsy hatorian’ny zaza hatao hasoavana. Maka ny ranomahery eny amin’ny loharano tsy ritra ny tovolahy matanjaka amin’ny fianakaviana vao maraimbe. Natao izany mba hirariana ny zaza hatanjaka sy tsy ho resy an’ady fa ho tafita soa aman-tsara. Atao avy eo ny fandidiana ary ny vatan-dehilahy ihany no afaka manatrika izany. Ha­sandratra ny zaza ary miara-miredona hoe ”Arahaba ririnina e” ny rehetra aorian’izay.

????????????????????????????????????

Nihena ny fanjifana kilalao sy malabary

Fitaovana anisan’ny tsy afa-misaraka amin’ny fanatanterahana ny famorana ny kilalao sy ny malabary. “Vitsy ny mpanjifa tamin’ity taona ity noho ny tsy fahampian’ny fahefa-mividin’ny mpanjifa raha oharina tamin’ny taon-dasa”, hoy ny mpivarotra nanontaniana. Manodidina ny 5 hatramin’ny 15 isan’andro eo ny malabary lafon’ny mpivarotra iray nanomboka tamin’ity ririnina ity, raha ny fanazavana voaray hatrany. Raha toa ka nahatratra hatramin’ny 30 kosa izany tamin’ ny taon-dasa. 8 000 hatramin’ny 15 000 Ariary eo ny vidin’ ny malabary iray ho an’ny zazalahy kely. Ankoatra izay, tsy afa-misaraka amin’ny fanaovana famorana ihany koa ny kilalao. “Manomboka ny 5 000 hatramin’ny 60 000 Ariary ny iray amin’ny kilalao ho an’ny zazalahy kely, eny an-tsena. Anisan’ny be mpividy ny kilalao ngeza sy mandeha vatoaratra, toy ny fiara sy ny basy”, hoy hatrany ny mpivarotra.
Miova isaky ny foko ny anaran’ny famorana sy ny fombafomba fanaovana azy. Famorana, didimpoitra ary hasoavan-jaza ny fiantso azy raha ho an’ny eto Analamanga. “Didimpoitra” na “hasoavan-jaza” any amin’ny faritra hafa. Antsoina hoe “Sambatra” kosa any amin’ny faritra Atsimo Atsinanana, atao ny volana oktobra, isaky ny 7 taona. “Savatse” kosa izany any amin’ny faritra Atsimo Andrefana.

 

Nanatontosa : Mino
Sary : Mamiherison

Partager sur: