Rally Boeny: mitarika i Fred sy i Mick

Mizotra antsakany sy andavany ny “Mobil Rally of Boeny”. Dingana fahatelo amin’ny fiadiana ny ho tompondakan’i Madagasikara, taranja rallye, tanterahina any Mahajanga. Fihaonana karakarain’ny Gojang. Nanjakan’ny klioba Asacm ny andro faharoa nanatontosana ny dingana manokana “ES” miisa 6. Izy ireo avokoa mantsy no tafiditra telo voalohany. Mitarika anefa i Fred sy i Mick, mitondra ny fiara Subaru N16. Manana fe-potoana 11 mn 02.8 s izy taorian’ny “ES 12”. Manaraka azy akaiky i Mathieu sy i A.T, miaraka amin’ny fiara Subaru. Ampahan-tsegondra kely fotsiny no nanasaraka azy ireo amin’ny voalohany. 11 mn 06.5 s ary fahatelo i Aro sy i Fanja, mitondra ny Subaru N15. 11 mn 50.9 s, ny fotoanan’izy ireo. Tsiahivina fa nitarika i Mathieu teo amin’ny “ES 9”.
Hifarana anio, ity “Mobil Rally of Boeny” ity ka “ES 4” sisa hany tanterahin’ireo mbola miatrika izany. Tsiahivina fa mety efa azo hitarafana izay handrombaka ny ho tompondakan’i Madagasikara ny vokatra amin’ity. Anisan’ireo miady izany anaram-boninahitra izany i Mathieu.

Torcelin

Partager sur: