SOMBIM-BAOVAO

Hatao ao amin’ny Kianja Côte d’or Maurice, rahampitso, ny lalao mandroso hikatrohan’ny Disciples FC sy ny Orlando Pirates Afrika Atsimo. Fihaonana savaranonando hiadiana ny ho tompondakan’i Afrika. Efa any an-toerana ny ekipa malagasy ary vonona ny hiatrika izany.
Miandry ny famoahan’ny Me Rôrô, mpanazatra ny Barea de Madagascar, ny lisitry ny mpilalao handrafitra ny ekipam-pirenena ny rehetra, ankehitriny. Ny Barea izay hiatrika ny lalao roa voalohany amin’ny fifanintsanana hiadian-toerana ho an’ny “Can 2025”. Fihaonana hikatrohana amin’i Tunisie sy i Comores, ny 5 sy 9 septambra ho avy izao, any Tunisie.
Hisy fihaonana hitsapana ireo mpilalaon’ny Makis Ladies, anio, etsy amin’ny Kianja Makis Andohatapenaka. Hifantenana ireo izay handrafitra ny ekipam-pirenena, hiatrika ny fiadiana ny ho tompondaka maneran-tany hatao any Dubaï, ny volana septambra ho avy izao, izany.
Hotanterahina anio, eny Ambatomaro, ny
fandevenana ny nofo mangatsiakan-dRandrianofano­me­zantsoa Richard, mpanao gazety tao amin’ny Radio Television Ravinala fahiny. Tsiahivina fa sady mpilalao baolina kitra nanatevina ny ekipan’ny Association des journalistes sportifs de Madagascar ihany koa Ratompokolahy.

Partager sur: