Zone 7 Basket-ball : nandresy an’i Comores ny Ankoay U16

Eo am-panomanana ny fiadiana ny ho tompondakan’i Afrika “Afrobasket”, natokana ho an’ny latsaky ny 16 taona, ny ekipam-pirenena malagasy. Miatrika ny fifanintsanana Zone 7 ihany koa izy ireo any Diego.

Nanomboka ny alakamisy 15 aogositra teo ny fifanintsanana ho an’ny faritra faha-7, hahazoana ny tapakilan’ny “Afrobasket U16”, lehilahy sy vehivavy. Any Diego no hanatanterahina izany. Raha ny voka-dalao, tamin’ny andro voalohany, nahazo fandresena nanoloana an’i Comores ny Ankoay lehilahy. Isa 86 no 37 no nisara­han’ny roa tonta. Nisy ihany koa ny lalao ara-pirahalahiana nataon’ny ekipa Malagasy, U16 vehivavy, sy ny ekipa voafantina ao Diana, ka nahazo fandresena ny ekipa nasionaly, tamin’ny isa 92 no ho 26. Lalao izay tafiditra ao anatin’ ny fanomanana ny “Afro­basket ho an’ny latsaky ny 16 taona”. Mahakasika ny fifaninanam-pirenena kosa, hiditra amin’ny manasa-dalana, anio, ny fiadiana ny ho tompondakan’i Madagasikara, sokajy U18, lehilahy sy vehivavy, hatao any Toliara. Hatao rahampitso kosa ny lalao famaranana. Any Antsirabe no hatao ny fiadiana ny ho tompondakan’i Madaga­si­kara, sokajy latsaky ny 16 taona, lehilahy sy vehivavy, ary any Farafangana no hanaovana ny fifaninanam-pirenena ho an’ny sokajy latsaky ny 20 taona. Eo amin’ny sokajy Vétérans kosa, hanomboka amin’ity faran’ny herinandro ity ny fifaninanana, eny amin’ ny Kianja Barea Mahamasina. Fifaninanana izay haharitra hatramin’ny faha-25 aogositra.

Mi.Raz

Partager sur: