Iavoloha: efa-dahy nahatrarana rongony 920 kg

Tratry ny vela-pandriky ny polisim-pirenena misahana ny ady amin’ny zava-mahadomelina ny efa-dahy nitondra rongony 920 kg teo Iavoloha, distrika Atsimondrano, afakomaly. Misava eny anivon’ny lalam-pirenena, fiara miisa roa avy any Toliara voasakana. Nampiahiahy ny polisy ny fihetsiky ny lehilahy efa-dahy. Nosavaina, nahitana zava-mahadomelina nilanja 49 gony teny amin’izy ireo. Efa maina avokoa ireo rongony ireo. Nokasaina haparitaka eto an-dRenivohitra, araka ny famotoran’ny polisy misahana ny fanadihadiana. Nentina natao fisavana ihany koa ny trano fonenan’ireo efa-dahy. Nahitana rongony efa nafatratra anaty gony miisa 40 hafa. Nogiazana avokoa ireo rongony ireo. Nentina natao famotorana ary atolotra ny fampanoavana aorian’ny fanadihadiana ireo efa-dahy nahatrarana rongony.

Tsiferana R.

Partager sur: