Mihoron-koditra ny mponin’ i Toamasina amin’izao fotoana. Mirongatra ny vono olona, ny fanafihana mitam-piadiana, ny halatra moto, ny harom-paosy ary ny vaky trano… Lasa manjaka tanteraka ny asan-jiolahy ao an-toerana, ankehitriny.
Ho an’ ny alatsinainy tapany maraina teo fotsiny, nahitana trangana tsy fandriampahalemana maro tao an-toerana. Anisan’ izany ny asan-jiolahy namonoana teratany vahiny 61 taona, nipetraka tao amin’ny trano fandraisam-bahiny iray ao an-toerana. Tale misahana orinasa tsy miankina iray any Morafeno izy io. Araka ny voalazan’ny mponina teny amin’ny manodidina, teratany frantsay nahay nifandray tamin’ny mponina io maty nisy nitifitra io. Anisan’ny teratany nanangan-janaka, zaza malagasy avy amin’ny fianakaviana sahirana ihany koa izy io. Mbola eo am-pikirakirana ireo antontan-taratasy mahakasika izany izy no maty voatifitra. “Nivoaka ny trano fonenany izy ny zoma 16 aogositra ary nilaza ho any Mahabo lalam-pirenena fahadimy niaraka tamin’ilay ankizy malagasy natsangany”, raha ny fanazavan’ny mpikarakara ny trano fandraisam-bahiny nipetrahany tamin’io fotoana io. Niverina ny alahady izy ary niditra tao amin’ny efitrano laharana fahenina tao amin’ity trano fandraisam-bahiny ity, ny tolakandro.
Ankoatra izay, anatin’ny fiomanana amin’ny fifanarahany amin’ny fitantanana ny orinasa ao Morafeno ny tenany tamin’io fotoana io, raha ny valin’ny fanadihadiana hatrany. Tsy ho ela dia hiverina any amin’ny Nosy La Réunion, handray asa hafa indray ny tenany rehefa vita izany. Malahelo sy miaraka ory aminy avokoa ny ankamaroan’ny teratany malagasy na vahiny ao an-toerana.
132 tapitrisa Ariary voaroban’ny jiolahy
Tranga hafa ny alatsinainy maraina teo ihany, manodidina ny tamin’ny 8 ora sy 45 minitra. Mpandraharaha ara-bary iray voaroban’ny jiolahy tany Ambolomadinika Toamasina. Voaroba tamin’izany ny vola iray baoritra tao amin’ity mpandraharaha ity. Raha ny fanazavana voaray, nanao ny asa fanafihana tamin’izany ny jiolahy telo lahy. Nitondra basy ny iray, nitondra antsy lavalela kosa ny roa lahy. Samy nandeha moto sy tsy nisaron-tava ireo jiolahy nanatanteraka ny asa ratsy. Teo am-piomanana hanatitra ny vola maty nandritra ny herinandro any amin’ny banky ity mpandraharaha ity tamin’io fotoana io. Niditra tampoka nanambana basy sy antsy lavalela ireo jiolahy ka tsy nisy nahetsika ny iray trano. Rehefa azo ny vola, nivoaka moramora ny magazay ireo olon-dratsy nivimbina ny baoritra feno vola. Lasa nirifitra tsy nisy sahy nanaraka ireo jiolahy. Nitangorona avokoa ny olona taorian’ny tranga niseho. Tovolahy iray hafa kosa voasambotry ny polisy nandritra izany fotoana izany.
Fanampin’izay, tranga hafa indray tamin’ny 10 ora maraina, tao Morafeno ihany. Raim-pianakaviana iray nahita ny motony very izay nisy nangalatra ny alina talohan’izay. Hitany nentin’ny olona iray teny an-dalana io kodiaran-droa io. Niantso vonjeo avy hatrany ity ranamana ity taorian’izay ary raikitra ny fisamborana ilay mpangalatra moto. Efa any anivon’ny mpitandro ny filaminana ny raharaha mahakasika izany.
Hentitra ny prefen’i Toamasina
Nisy ny fivorian’ny OMC, izay notarihin’ny prefen’i Toamasina, Benandrasana Cyril, ny alatsinainy maraina teo. Fihaonana natao tao amin’ny efitrano fivoriana, ao amin’ny Lapan’ny faritra Atsinanana, manoloana ny Araben’ny Fahaleovantena. Anton’ny fivoriana ny firongatry ny asa fanafihana sy fandrobana amin’ny endriny maro ao an-toerana. Hentitra ny baiko nomen’ny prefet amin’ny tsy maintsy hampandriana fahalemana ny tanàna. “Tsy maintsy manana vokatra ny mpitandro filaminana manoloana izao asa ratsy izao. Hisy, araka izany, ny fisavana ny moto, posy, bajaj ary ireo fiara mandeha amin’ny alina”, hoy hatrany ny nambaran’ny prefen’i Toamasina, Benandrasana Cyril. Ankoatra izay, tsy maintsy mikatona amin’ny 10 ora alina ihany koa ny trano fisotroana rehetra. Nambarany fa tsy misy fahazahoan-dalana manokana izany ary mbola tsy namoaka izany ho an’ny trano fisotroana rahateo ny tenany hatramin’ny niverenany teo amin’io toerana io. Nohamafisiny hatrany fa tsy maintsy atao izay hasamborana maika ireo nahavanon-doza, indrindra ireo namono olona. “Anisan’ny maha ratsy endrika ny firenena malagasy manoloana ny firenena frantsay ny trangana tsy fandriam-pahalemana miseho rehetra”, hoy hatrany ny fanazavany.
Nanatontosa : Sajo