Nify marary : miteraka aretina toy ny “rhumatisme articulaire” raha tsy voatsabo ara-dalàna

Aretina iray tena mampijaly ny an­kamaroan’ny olona ny areti-nify. Vanim-potoana mampihetsika azy ny vaninandro ririnina tahaka izao. Tsara ny manatona mpitsabo avy hatrany vao ma­nomboka mandre maharary mba tsy hahatongavana amin’ny aretina hafa, hoy ny mpitsabo.

Matetika rehefa simba ny nify vao manatona mpitsabo ny ankamaroan’ny olona. “Tsy misy fitsaboana azo atao intsony anefa rehefa simba ny nify”, hoy ny mpitsabo nanaovana fanadihadiana. Manodidina ny 30 isan’andro ny olona manatona toeram-pitsaboana nify raha eny anivon’ny mpitsabo nify iray eto Antananarivo. Betsa­ka amin’izany ireo olona manala nify. Antony mahatonga ny safidin’ny olona ny efa haratsin’ilay nify, ny hafalon’ny fikarakarana ary ny fivezivezena eny amin’ny mpitsabo. Misy ihany anefa ireo olona tia mikojakoja nify amin’ny fitsaboana sy ny fanitsiana izany.
Betsaka ny aretina ateraky ny areti-nify tsy voatsabo, hoy hatrany ny mpitsabo. “Voa­lohany, rehefa simba ny nify dia miha ratsy ny fitsakoana sy fandevonana ny sakafo”, hoy ny Dr Rakotonin­driana Norbert, etsy 67 ha. Voatery miasa mafy ny vavony, araka izany. Raha tokony ho adiny telo ny fijanon’ny sakafo ao anatin’ny vavony, lasa mihoatra lavitra izay ka manjary mamparary ny vavony. Fa­haroa, misy ireo mikraoba miforona rehefa marary ny nify. Misy ny miakatra ary manome ny sinusite. Misy ny voatelina ary miteraka aretim-bavony antsoina hoe : “ulcère”. Ankoatra izay, manome ny antsoine hoe “cellulite” ihany koa ny areti-nify, izay miparitaka manerana ny ativava sy ny tenda ary ny sofina. Lasa mivonto izy io ary mamorona nana maimbo be. Ankoatra izay, manome ny “arhumatisme articulaire” eo amin’ny olona iray ihany koa izy io. “Tsy maintsy toroina hevitra foana ny olona voan’io aretina io fa tsy maintsy hongotana na esorina ny nify”, hoy hatrany ny mpitsabo. Tsy mijanona amin’ny maha “rhumatisme” eo amin’ny vanin-taolana fotsiny ihany fa mety ho lasa hatrany amin’ny aretim-po ihany koa.

Hatrany am-bohoka
ny fikirakirana
Mbola any am-bohoka dia efa ilaina fikarakarana ny nify. “Efa maniry hatrany am-bohoka ilay “bourgeon dentaire” ka antony iray hikarakarana azy dieny mbola any”, hoy hatrany ny Dr Rakotonindriana Nor­bert. Tohizana foana izany rehefa teraka ny zaza amin’ny alalan’ny fanomezana calcium sy vitamine… “Singa tena ilaina manatsara sy ny fikolokoloana ny nify ny sakafo sy ny fahadiovana”, hoy kosa ny Dr Andriampeno Toky, mpitsabo nify etsy 67 ha. Nambarany fa efa manafatra ny ray aman-dreny foana ny pédiatre fa mila hamafisina ny nifin’ny zaza any am-bohoka sy rehefa teraka ny zaza. Mba hamafisina ny nify amin’ny alalan’ny fihinanana “fluore”, calcium…. Miankina amin’izay, ny hiankinan’ny fahasalaman’ny nifin’ny ankizy. Rehefa teraka ny ankizy, manomboka ny fanaraha-maso ny nifin’ny ankizy, ny fanadiovana azy sy fampianarana ny zaza miborosy nify. Mila atao ara-pahasalamana ny sakafo. Amin’ny ankapobeny, mbola maro amin’ny Mala­gasy no manana finoanoampoana fa tsy mahazo mihinana calcium ny bevohoka sy ny mampinono. Nohamafisin’ny mpitsabo fa tsy mitombina avokoa izany fa hatrany am-bohoka ny fahatsarana na faharatsian’ny nifin’ny olona iray. Tsy misy afa-tsy ny fihinanana sakafo ara-pahasalamana ny fomba iray hikolokoloana ny nify tsy ho simba.

latin girl’s mouth with brackets

Mila tsaboina tsara ny nify marary

Vahaolana tsara indrindra ny fanamboarana ny nify vao marary mba tsy hanalana azy, hoy hatrany ny mpitsabo. “Misy tombontsoa goavana eo amin’ny fahasalaman’ny olona ny fahasalaman’ny nify sy ny fanamboarana azy vao marary”, hoy hatrany ny Dr Andriampeno Toky, mpitsabo nify etsy 67 ha. Nambarany hatrany fa samy manana ny asany avokoa ny nify tsirairay avy matoa nataon’Andriamanitra. Misy ny nify natao hanapaka sakafo fotsiny, ny mandrovitra ary ny mamotika sakafo… Vao misy iray banga dia efa misy fiovana ny ara-pahasalaman’ny olona.
Efa faka-nify sisa no mihazona vao mihazakazaka any amin’ny toeram-pitsaboana ny marary iray, raha ny zava-misy. Tsara ny hanatonana mpitsabo nify avy hatrany rehefa maheno marary ny olona iray. Mba hialana amin’ny fanongotana azy. Mba hahafahana mijery na azo tapenana ilay nify na hoesorina. Farafaharatsiny tokony hanatona mpitsabo nify indray mandeha isan-taona ny olona iray. Mety tsy mbola marary fa ahina handoaka fotsiny sy hisorohana ny fihitaran’ny aretina. 10 000 Ariary farany ambany ny manala nify. Manodidina ny 20 000 Ariary kosa ny manamboatra nify. Raha ho an’ny fanitsiana izany indray, manodidina ny herintaona sy tapany eo.

Nanatontosa : Mino

Partager sur: