D2-Nasionaly : tsara fanombohana ny FC Theo sy ny Jet Kintana

Notanterahina omaly, tany Ambatondrazaka sy tany Ambositra, ny andro voalohan’ny fiadiana ny ho tompondakan’i Madagasikara, taranja baolina kitra, “World Cola Ligue des Champions”, D2 nasionaly. Nisongadina tanteraka tamin’ity andro voalohany ity ny ekipan’ny FC Theo Sava sy ny Jet Kintana Itasy.

Araka ny vaovao voaray, lavon’ny FC Theo, tamin’ny isa 4 no ho 2, ny Tia Kitra Atsinanana, tany Ambaton­dra­zaka. Resin’ny Jet Kintana, 3 no ho 2, kosa ny AS Comato Atsimo Andrefana, tao Am­bositra. Manana isa telo avy, araka izany, ireto ekipa roa ireto. Tsiahivina fa ny klioban’ny AS Fos no hifanandrina amin’ny FC Theo, eo amin’ny andro faharoa.
Ny FCA Ilakaka no hihaona amin’ny Jet Kintana.
Ratsy ny vokatra ho an’ny AS Ste Anne
Tsy nahomby ny eki­pan’Analamanga, AS Ste Anne, tamin’ity andro voalohany ity. Resin’ny FCA Ilakaka, tamin’ny isa 4 no ho 1, izy ireo, araka ny vokatra navoakan’ny Federasiona malagasin’ny baolina kitra (FMF). Nilaza ny loharanom-baovao iray tao amin’ny AS Ste Anne fa tsy mendrika ho lalao baolina kitra ny zava-misy tany an-toerana satria maro ireo fihetsika tsy mendrika nataon’ny mpilalaon’Ilakaka. Nahazo karatra mena ny mpilalao iray avy ao amin’ny FC A sy ny an’ny AS Ste Anne. Tsiahivina fa ny AS Sphinx Vakinan­karatra no hihaona amin’ity tomponda­kan’Analamanga ity, ny alahady ho avy izao, any Ambositra ihany.

Fitia Randria

Partager sur: