Ny vokatra petits pois: miantso hampiakarana vidim-bokatra ny tantsaha amin’ny fotoana fahamorany

Fotoana mampidina ny vidim-bokatra petits pois eny an-tsena ny va­nim-po­toana tahaka izao. Mitobaka ny vokatra, ka izay no anton’izany, hoy ireo tantsaha. Ma­ha­faty antoka nefa ny vi­dim-bokatra ka mi­an­tso ny hampiakarana izany ireo tantsaha.

Tafiditra ao anatin’ny le­gioma maitso ny “petits pois” na ny pitipoà. Fia­nakaviana iray ao anatin’ny lentilles, tsaramaso, voanjo bory izy. Maneran-tany, vanim-potoana hambolena sy ahitana io vokatra io ny volana mey hatramin’ny volana oktobra. Raha ho an’ny eto Mada­ga­sikara manokana, ao anatin’ny vanim-potoana maha betsaka io vokatra io ny vanim-potoana tahaka izao. Ma­nomboka ny volana jolay sy aogositra ny tena ahitana azy mitobaka eny an-tsena. Efa tsy dia ahitana firy izany kosa ny volana septambra sy oktobra. Mora ny vidin’ny vokatra rehefa fotoana fiakarany. Manodidina ny 600 hatramin’ny 800 Ariary ny iray kapoaka, eny an-tsena, ankehitriny. Matiantoka ny ankamaroan’ny tantsaha noho io vidim-bokatra io, raha ny fanadihadiana natao. Mitaraina izy ireo, araka izany, ny mba hijerena ny vidiny rehefa amin’ny fotoana toy izao. “Matiantoka ny tantsaha amin’izany satria tsy mahaverina ny vola lany tamin’ny fikarakarana rehetra ny vola azo”, hoy Ravoniarimanana Fran­coise Roseline, tantsaha mipetraka ao Ambohijafy, kaominina Ampahimanga. Noho izany, miantso ny fitondram-panjakana izy ireo mba hijery manokana ny vidim-bokatra eny an-tsena. Ela ela ihany vao mahita vokatra nefa tsy mifanaraka amin’izay ny vidin’ny vokatra. Mampirisika ny tantsaha hamboly ity vokatra ity ny fampiakarana ny vidim-bokatra eny an-tsena. “Tsy tokony ho latsaky ny 1000 hatramin’ny 1500 Ariary eo ny kapoakan’ny pitipoà rehefa amin’ny vanim-potoana ankapobeny tahaka izao”, hoy hatrany ireo tantsaha. Misy tombontsoa be ary mahavokatra tsara ny tanimboly raha mahavita mikarakara ny tantsaha. Iray kapoaka voany, manome 100 kapoaka isaky ny mitango. Indray mandeha ny fitangosana ny vokatra eny an-tanimboly. Somary henjana kosa ny eo amin’ny fikarakarana rehetra. Nambaran’ireo tantsaha nanaovana fanadihadiana fa lafo ny vidin’ny fanafody eny anivon’ny veterinera, mandany andro ary mila fikarakarana sy fanaraha-maso tsy tapaka ny fambolena azy. Mioty vokatra ny volana avrily raha mamboly ny febroary ny tantsaha. Manodidina ny 1000 hatramin’ny 1400 Ariary ny vidin’ny vokatra farany ambany amin’io fotoana io. Amin’ny ankapobeny, mamboly ma­nomboka ny faran’ny volana mai avokoa ny ankamaroan’ny tantsaha eto amin’ny Nosy. Tsy mitsahatra mioty sy mitango vokatra hatrany izy ireo mandra pahatapitry ny volana Oktobra. Manao ambaratonga ny fambolena sy ny fihotazana. Mitango indimy vao lany ny vokatra mitsiry sy mamony. Lany tanteraka ny vokatra any amin’ny volana oktobra.

Fikarakarana ny voly

“Somary sarotra ny fambolena ny voly eny an-tanimboly noho ireo fikarakarana rehetra tsy maintsy atao aminy”, hoy hatrany izy. Tsy maintsy ilaina ny fampiasana zezika biolojika, toy ny tain’omby, ny fampiasana fanafody hamonoana ireo biby kely mpanimba voly ary ny fanondrahana. Nam­barany hatrany fa tsy maintsy atao ampy rano tsara ny pitipoà mba hampiakatra sy hampitombo ny vokatra. Indray mandeha isan’andro, maraina na hariva, ny tsara hanondrahana azy io. Tsy maintsy asiana tady na bararata hihazona ny voly mba hahafahany mitombo halava hatrany. Raha tsara karakara ny voly, mahatratra hatramin’ny 1 metatra sy sasany any ho any ny halavan’ny voly pitipoà. Raha iray ara ny voly hovolena, atao amin’ny 10 litatra ny fanafody ampiasaina. Rehefa miha lava ny voly dia mitombo hatrany ny fanafody. Ankoatra izay, olana tsy mamparisika ny tantsaha amin’ny fambolena ny pitipoà ny tsy fananana zezik’omby. Izay tena ilaina betsaka amin’ny fampiakarana ny vokatra.

Manatsara ny fandevonan-kanina sy ny fahasalaman’ny fo

Mitondra vokatsoa ho an’ny fahasalaman’ny olona ny fihinanana ny pitipoa. Ahazahoana proteinina, manan-karena fibre ary iray amin’ireo loharanon-tsakafo tsara indrindra avy amin’ny zavamaniry izy io. Ahitana vy, izay ilaina amin’ny fanaovana selamena sy fitaterana oksizenina manerana ny vatana. Manatsara ny fandanjalanjana ny tahan’ny siramamy ao amin’ny ra ihany koa. Manatsara ny fandevonan-kanina sy ny fahasalaman’ny fo. Mety hiaro amin’ny homamiadana samihafa koa. Ankoatra izay, sakafo ahitana karazana otrikaina samihafa. Raha ho an’ny pitipoà masaka 80 g. Ahitana kaloria 63, proteina 5,4 g, lipida 1,3 g, glosida 8,0 g, fibres 4,5 g, potasioma 184 mg, phosphore 104 mg, vy 1,2 mg ary vitamina C 13 mg ao anatiny.

Vokatra maina
Tsy maintsy hamainina ny vokatra raha tsy misy mpandray. Tsy hahazahoana tombontsoa anefa izany rehefa maina satria be dia be vao mahatratra iray kapoaka. Tsy lafo mihoatra ny 3000 Ariary izany. Vitsy ihany anefa ny mpanjifa ny pitipoa maina. Amin’ny ankapobeny, Ilaina atao masomboly izy vao maina. Tsy mifidy tany fa akaiky rano ny tena mety aminy satria rano no tena iainany.

Nanatontosa : Mino

Partager sur: