Nanjakan’ny faritra Analamanga tanteraka ny fiadiana ny ho tompondakan’i Madagasikara, taranja atletisma, sokajy zandriny, taom-pilalaovan 2024, izay nifarana afakomaly, teny amin’ny Kianjan’ Alarobia. Araka ny vaovao voaray tamin’ny Federasiona malagasin’ny atletisma (FMA), medaly volamena 32 no azony. Mitana ny laharana faharoa kosa ny atletan’Atsinanana, izay nahazo volamena 19, raha toa ka fahatelo ry zareo avy atsy Vatovavy Fitovinany, manana volamena miisa 10. Atleta miisa 740 mianadahy no nandray anjara tamin’ity fifaninanana nasionaly ity, ary avy amin’ny ligy 14, izy ireo. Anisan’izany, Analamanga, mpampiantrano, Atsinanana, Matsiatra Ambony, Vatovavy Fitovinany, Anosy, Itasy, Amoron’i Mania, Alaotra Mangoro, Atsimo Atsinanana, Ihorombe, Diana, Bongolava ary Boeny. Tsara marihina fa nanomboka tamin’ny 23 aogositra lasa teo ity fifanintsanana ity. Ankoatra izay, hotontosaina ny 30 aogositra hatramin’ny 1 septambra ho avy izao, eny Alarobia ihany, ny lalao nasionaly ho an’ny sokajy rehetra, lahy sy vavy.
Fitia Randria