Beach Soccer sy Futsal : hodinihin’ny Federasiona ny hanaovana ny fifanintsanana

Tokony ho efa nandeha ny fifaninanam-pirenena taranja Beach Soccer sy Futsal. Misy ny fandaminana apetraky ny tomponandraikitry ny baolina kitra. Noho izany, hisy ny fivoriana ataon’izy ireo.

Somary nangina tanteraka ilay fiadiana ny ho tompondakan’i Mada­gasi­kara, taranja baolina kitra ambony torapasika, “Beach Soccer” sy ny baolina anaty efitrano, “Futsal”. Nilaza ny tomponandraikitra iray eo anivon’ny Federasiona malaga­sin’ny baolina kitra (FMF) fa hisy fivoriana hatao ny volana septambra ho avy izao, hiresahana mahakasika ny fikarakarana izany.
Tsiahivina fa ny volana jolay lasa teo, tany Manakara, no tokony hanatanterahina ity fifaninanana nasionalin’ny Beach Soccer ity, saingy nahemotra izany noho ny fangatahana fanavaozana ny tetibola entina manao ny tetikasa any amin’ny Fifa. Tsy mbola voafaritra mazava kosa ny hanaovana ny Futsal, raha tsiahivina dia tokony ho ny faran’ny volana aogositra izao no hanatanterahina azy.
Nilaza nefa ity lehibe iray ao amin’ny FMF ity fa hiezaka izy ireo ny hikarakara sy hampandeha izany. Marihina fa ankoatra ireo taranja roa ireo, tsy mbola misy resaka ny fifaninanana nasionaly ho an’ny baolina kitra, sokajy vehivavy, eto Madagasikara.

Hanomana ekipa nasionaly
Ankoatra izay, manana vina goavana ny FMF amin’ny resaka Beach Soccer. Anisan’ izany ny hanomanana ny ekipa nasionaly, izay hiatrika ny Cosafa sy ny fifanintsanana Can amin’ny taona ho avy io. Tsiahivina fa manana ny lazany eto Afrika i Madagasikara amin’ity taranja ity. Ny taona 2015, tany Seychelles, norombahin’i Madagasikara ny amboaran’ny “Can Beach Soccer”, ary efa niatrika ny fiadiana ny ho tompondaka maneran-tany izy ireo, ny taona 2015 ihany, tany Portugal.

Fitia Randria

Partager sur: