« Festival Alefa Parkour »: hizara traikefa i Charles Perrière

Nanomboka, omaly, ary hotohizana hatramin’ny 8 septambra izao, eny amin’ny Parvis Hôtel de Ville Analakely ny andiany fahatelo amin’ny fiadiana ny tompondakan’i Madagasikara, taranja Par­kour. Hifanindry an-dalana amin’izany ny andro olympika, izay hatao eny Analakely ihany koa, ny 31 aogositra sy 1 septambra. Hatolotra amin’io fotoana io ireo atleta malagasy niatrika ny lalao olympika, natao tany Paris farany teo. Eny amin’ny kianja mitafon’ Ankorondrano kosa no hanaovana ny “Traceur Gasy Jam”, manomboka anio, araka ny fandaharam-potoana, natokana ho an’izay liana sy te hahafantatra sy handalina momba ny Parkour. Hitohy amin’ny fiofanana izany, ao­rian’ny fifaninanana, izay ha­tao ny 3 hatramin’ny 7 septambra izao. Hizara ny traikefany amin’izany ny manam-pahaizana iraisam-pirenena, i Charles Perrière. Hampiavaka ity andiany fahatelo ity, araka ny nambaran’ny filohan’ny komisiona Parkour, i Anthony, ny fahatongavan’ity kalaza iraisam-pirenena ity. Namo­rona ny taranja Parkour sy filohan’ny komisiona iraisam-pirenenan’ny Parkour, eo anivon’ny federasiona iraisam-pirenena ny Gymnastique, i Charles Perrière ary namorona ihany koa ny Yamakasi. Manohana ny “Festival Alefa Parkour”, ny masoivohon’ny Frantsa, MJS, Kom, XXL, Afix, CUA ary ny Fairplays. Tsia­hivina, ny taona 2018 no niorenan’ny Traceur Gasy ary manana toeram-panofanana ny tanora liana amin’ity taranja ity izy, mitondra ny anarana hoe “Traceur Gasy Academy”. Efa nandray anjara tamin’ny fiadiana ny tompondaka ma­neran-tany izy ireo ary mbola maniry ny hifaninana any Japon, amin’ity taona 2024 ity.

Mi.Raz

Partager sur: